
Songadim-baovaoSosialy
« TETIKASA MIFAMPITSIMBINA » : Anamaivanana ny fahasahiranan’ireo tokantrano marefo
Natomboka omaly tao amin’ny ANS Ampefiloha, ny fizarana ireo fanampiana ao anatin’ny « Tetikasa Mifampitsimbina ». Natrehan’ny Filoha Andry Rajoelina ny fanombohana izany tetikasa izany. Natokana ho an’ireo tokantrano marefo manerana an’Antanananarivo renivohitra sy ireo renivohi-paritany dimy hafa, dia i Mahajanga, Toliara, Fianarantsoa, Antsiranana, ary Toamasina ity « Tetikasa Mifampitsimbina » ity. Ho an’Antananarivo renivohitra, voakasik’ity tetikasa ity avokoa ireo boriborintany enina. Ireo boriborintany I sy IV kosa, no nanombohana ny fizarana ireo fanampiana omaly. Tokantrano 7. 800, araka izany, no nisitraka izany omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha.
Mifarana ny alatsinainy izao ny fizarana ho an’ireo fianakaviana sahirana rehetra eto Antananarivo renivohitra, izay tokantrano miisa 18.000. Raha atambatra ireo ankohonana rehetra misitraka ity « Tetikasa Mifampitsimbina » ity manerana ireo renivohi-paritany enina, dia miisa 50.000. Hozaraina mialohan’ny faran’ny taona avokoa ny fanampiana, amin’ny alalan’ity tetikasa ity, araka ny fanazavan’i Rivomanana Ghisbert, Tale jeneralin’ny firaisankina, eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina.
Vary iray gony 50 kg isan-tokantrano
Volam-panjakana madiodio no amatsiana ity « Tetikasa Mifampitsimbina » ity. Araka izany, vary amin’ny gony 50 kg isaky ny tokantrano tsirairay avy no zaraina. Eo koa ny menaka “huile de soja” iray litatra, misy ronono mamy koa, « pâtes alimentaires », siramamy iray kilao isaky ny tokantrano tsirairay avy, « sardine », sira, ary biskoy. “Tsapako ary hitako ny fahasahirana iainanareo amin’ny fiainana andavanandro. Izay no anton’izao fanomezana izao, dia mba hanamaivanana ny fahasahiranana isan-tokantrano satria maro ireo tokantrano sahirana”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fandraisam-pitenenany omaly. “Anatin’ny fankalazana ny Krismasy izay indrindra no nanasako anareo mahatonga antsika vory eto, mba hahafahan’ny tokantrano tsirairay avy mankalaza krismasy anaty haravoravoana. Izay indrindra no nametrahana ity tetikasa ity hoe « Mifampitsimbina ».
Anamaivanana ny maitsoahitra…
« Rehefa mizara mantsy ianao dia maneho fitiavana izany. Rehefa manolotra ianao dia mamafy hafaliana sy tsiky eny amin’ny endriky ny tsirairay avy. Rehefa mizara fitiavana koa ianao dia mizara hazavana sy hafaliana ao am-pon’ny tsirairay avy”, hoy hatrany ny Filoha. Araka izany, anamaivanana ny fahasahiranan’ireo tena marefo, indrindra amin’izao an-katoky ny fetin’ny faran’ny taona izao, sy ny vanim-potoan’ny maitsoahitra ny « Tetikasa Mifampitsimbina ». Ireo vehivavy mananontena, ireo tokantrano tsy misy fidiram-bola manana zaza mihoatra ny telo. Ireo manan-janaka tokony hianatra, nefa tsy maintsy niala an-daharana, noho ny fahasahiranana no misitraka ity tetikasa ity, araka ny fanazavan’ny Tale jeneraly Rivomanana Ghisbert hatrany.
Nanotrona ny Filoha, Andry Rajoelina, tamin’ny fizarana fanampiana ny « Tetikasa Mifampitsimbina » ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, sy ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta sasany, ary koa ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Nanatrika izany koa ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena ho an’ny faritanin’Antananarivo.
Rado Harivelo



