Isan’ireo nisongadina tao anatin’ny tatitry ny filan-kevitry ny Minisitra natao omaly ny firosoan’ny tetikasa fitarihan-drano “pipeline Efaho”, tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Fantatra ankehitriny fa efa am-periny tanteraka ny asa fanamboarana io fitarihan-drano lehibe ho famatsiana rano fisotro madio any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy io. Raha ny tatitra mantsy dia efa an-dalam-panamboarana ny tobim-pamokarana eo amin’ny PK0 eo Andakana. Eo ihany koa ny asa fanajariana eo amin’ny PK31 Mahatsinjo izay hametrahana ireo fitahirizan-drano. Ankilany, efa natsangana ny “Task Force” izay tarihin’ny Ministeran’ny Rano, hanana andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny asa sy hanome ny tantsoroka ara-teknika rehetra. Araka izany dia vinavinaina ho vita hatramin’ny volana jolay 2024 ny fanamboarana ny tobim-pamokarana eo amin’ny PK0 eo Andakana. Hatramin’ny vola septambra 2025 kosa no kendrena ho vita ireo toby fitahirizan-drano eo amin’ny PK31 Mahatsinjo.
Raha tsiahivina moa dia paikady napetraky ny Fitondram-panjakana hiadiana amin’ny tsy fahampian-drano any amin’ny Faritra Androy sy Anosy ny fanamboarana io fitarihan-drano goavana avy amin’ny reniranon’i Efaho io. Mirefy 97km ny “pipeline”. Mponina miisa 500.000 no hisitraka rano fisotro madio. Tany fambolena mirefy 80 000ha no ho voatondraka. Ary hisy ihany koa toerana fampisotroan-drano miisa 120 ho an’ny biby fiompy. Hamakivaky tanàna miisa 60 ao anatin’ny Distrika telo dia Taolagnaro, Amboasary Atsimo sy Ambovombe, ary hanondraka ny lemak’i Sampona, Maroalopoty ary Maroalomainty ny fotodrafitrasa. Ankoatra ny rano fisotra madio sy rano ho an’ny fambolena sy fiompiana dia hanatsara ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toe-karenan’ny mponina any atsimon’i Madagasikara ary ny hanamafy ny fahaiza-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny tetikasa “pipeline Efaho”.




