PolitikaSongadim-baovaoSosialy
TETIKASA PRODUIR: Hanatsara ny fiainan’ny mponina eny amin’ny faritra iva
Tsy resa-be fotsiny ny fanatanterahana asa goavana iarahana amin’ny tetikasa Produir amin’ny fiarovana ny tanànan’Antananarivo amin’ny tondra-drano isaky ny fotoam-pahavaratra, fa azo tsapain-tanana ankehitriny. Tonga nijery ifotony ny fizotran’asa ny Filohan’ny Repoblika, dia ny fanadiovana lakan-drano miainga eny Anosibe, sy ny fananganana trano vaovao ho an’ireo mponina nanamorona ny lakan-drano…
Mizotra an-tsakany sy andavany ary efa mby ho vita ankehitriny ny tetikasa fiarovana ny tanànan’Antananarivo amin’ny tondra-drano, fa indrindra isaky ny fotoam-pahavaratra tahaka izao, izay tanterahin’ny tetikasa Produir, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Marihina, fa anisany asa goavana tanterahin’ny tetikasa ny fanadiovana ireo lakan-drano goavana toy ny “C3”, ary ny fanatsarana ny tanàna izay mikendry indrindra ny tsy hisian’ny tondra-drano. Nidina ifotony nijery izany fizotry ny asa tanterahin’ny tetikasa eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany (MDAT) izany, ny Filohan’ny Repoblika, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny. Anisan’izany ny fisokirana ireo fako sy fotaka mandrefo eny amin’ny lakan-drano io, izay manomboka eny Anosibe ka hatreny Ambodimita, mandalo eny Andavamamba, 67Ha, ary Antohomadinika, izay mahatratra 12Km. Nambaran’ny Filoha tamin’izany, fa anisany tetikasa goavana miompana indrindra amin’ny fiarovana ny mponina manodidina ny lakan-drano sy Antananarivo manontolo, ity tanterahina ity. Manara-penitra tanteraka ihany koa ny fanalana ny fako sy ny riam-potaka amin’izany, satria atoby amina toerana manokana eny Amohidratrimo, kaominina Iarinarivo. Nambarany ihany koa, fa hatao toerana mahafinaritra sy azo hitsangatsanganan’ny rehetra, ny eny Anosibe ity, aorian’ny fanalana ireo tsikafona sy riam-potaka.
Hisitraka trano vaovao alohan’ny 26 jona…
Ankoatra izay, dia hisitraka ny trano vaovao tsy ho ela, izany hoe afaka telo volana mahery kely eo ireo mponina noesorina nanamorona ity lakan-drano nodiovina sy nohajariana ity. Eny Andavamamba no misy io toerana nanorenan-trano miisa 29 io, izay misy rihana iray, ary antonona fianakaviana telo avy ny trano iray, raha maherin’ny 80 izy ireo raha atotaly. Marihina, fa efa nisitraka ampaham-bola ireo fianakaviana noesorina manamorona ny lakan-drano ireo, tany am-boalohany, ary izao hisitraka trano vaovao maimaim-poana etsy Andavamamba izao, izay tanterahin’ity tetikasa ity avokoa. Hanara-penitra tanteraka ity toerana ity, satria amin’ny maha tanàna azy, dia ho hita ao ny tsena, ny toeram-pidiovana sy lavapiringa isan-tokantrano, fanasan-damba, lalana pavé, sy ny sisa, raha ny nomarihan’ny Minisitry ny MDAT, Andriantsitohaina Naina. Raha nahita ireo trano efa tafatsangana sy akaiky ho vita ny Filoha dia nilaza, fa tsy mijanona hatreo ny fitsinjovana ny mponin’Antananarivo, fa santionany fotsiny ihany izao, ary mbola hitohy amin’ny fijerena ny famahana ireo olana any anaty fiarahamonina rehetra eo anatrehan’ny fanatsarana ny tanàn-dehibe. Satria hoy izy, “ny fandrosoan’ny mponina an-dRenivohitra no anisany famantarana iray ny fandrosoan’ny firenena”.
Stan R.




