PolitikaSongadim-baovao
TETIKASA « PRODUIR » : Olona maherin’ny 4 hetsy no efa nisitraka
Tonga nitsidika ireo fotodrafitrasa momba ny tetikasa Produir tetsy Ankasina, ny Filoha Andry Rajoelina, omaly ka nihaona mivantana tamin’ny vahoaka. Ireto farany tsy nihambahamba ka naneho mivantana ny fangatahany tamin’ny Filoha. Ny fanamboarana lalankely sy tetezana no tena maro nangataka, noho ny fijalian’ireo mponina eny amin’ny fotoam-pahavaratra. “Izao no hankanesana ety hijery ny zavatra ilainareo. Hojerena ny trano izay iakaran’ny rano isaky ny avy orana”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina izay miezaka hatrany ny manakaiky vahoaka. “Betsaka loatra ireo trano tsy manara-dalàna amin’ny fanorenana ka izay ny antony nanaovana lalankely”, hoy izy. Hotohizina, araka izany, ny fanamboarana ho fitsinjovana ny vahoaka. Raha ny teo amin’ny fokontany Ankasina manokana, dia misy tetezana izay mampianjera mpianatra, ka nangatahan’ny mponina tamin’ny Filoha ny fanamboarana azy. Nanaiky izany ny Filoha, fa mila mitandro ny fahadiovana kosa, ny vahoaka.
Tiana ny manamarika fa tonga nijery ny asa vita teny amin’ny fokontany Ankasina, ny Filoha Andry Rajoelina sy ireo mpiaramiasa taminy omaly. Tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa « Produir » izany. Fokontany maromaro no voakasika amin’ity tetikasa ity, dia ny ao amin’ny Firaisana voalohany sy fahefatra, ny Kaominina Bemasoandro, Andranonahoatra ary Anosizato Andrefana. Asa efa maherin’ny 400 no efa vita eo amin’ireo toerana ireo, raha efa natomboka tamin’ny 2022. Olona maherin’ny 4 hetsy kosa, no misitraka azy. Raha ny fanazavana, 14 tapitrisa dolara ny vola lany tamin’ny fanamboarana, izay nosahanin’ny Orinasa malagasy efatra sy orinasa vahiny iray. 41 km, araka izany, ny lalankely, 30 km ny lalana ary 6 km ny tetezana sy raridrano, izay efa vita notsidihan’ny Filoha.
Fiaraha-mientana ny fanadiovana…
“Hoesorintsika aloha ny fako, diovina ny tanàna. Hanomboka hanadio isika, manasazy ary manamboatra. Ilaina ny mikajy ny tontolo iainana ”, hoy hatrany ny Filoha. Hisy, araka izany, ny fiarahamientana amin’ny vahoaka, indrindra ireo vatandehilahy amin’ny fanadiovana ka hahazo vary 5 kg tsirairay izay miasa. Mety hananika ny 1.000 isa ny olona ilaina amin’izany asa izany. “Mba sarotiny isika manoloana ireo izay mbola manary fako”, hoy izy nanamafy. Nitodika tamin’ny ben’ny tanàna, araka izany, ny Filoha amin’izay asa tokony hiandraiketan’ny tsirairay.
Nomarihin’ny Filoha nandritra ny fitsidihana fa tsy misy toerana ilalaovana ny ankizy ary tsy misy toerana hanaovana fanatanjahantena ny tanora. Tanjon’ny Filoha rahateo ny hametraka ireny fotodrafitrasa ireny isaky ny Fokontany tsirairay. Tafiditra tao anatin’ny tetikasa, araka izany, ny nanamboarana toerana filalaovana basikety, ny toerana famakiam-boky ary koa ny nanavaozana toeram-pitsaboana. Marihina fa anisan’ireo fotodrafitrasa vao natomboka omaly koa, ny fametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro 1.000 isa. Efa nifampiresahana tamin’ireo tompon’ny trano ny taratasy fanomezan-dalàna, mba hametrahana ireo jiro ireo.
Nangonin’i Rado Harivelo




