Songadim-baovaoToekarena
TETIKASA TANA-MASOANDRO : Hanao ny fandalinana ara-teknika momba ny Rano ny “Groupe Sinomach Hainan Development Co.”
Notontosaina, ny herinandro teo, ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piarahamiasa teo amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana (SENVH) sy ny Filohan’ny Groupe Sinomach Hainan Development Co, mikasika ny fandalinana ara-teknika momba ny rano (études hydrauliques) ao amin’ny faritry ny tetikasa Tanà-Masoandro. Voakasik’izany ny famatsiana rano fisotro, fanodinana rano avy nampiasaina, ny rafitra fanadiovana (assainissement) ary ny fahafahana manatanteraka ny tetikasa « Fleuve Vert ».
Ho avy tsy ho ela ireo teknisianan’ny orinasa hiara-hiasa hanatanteraka izany ka ny SENVH no handray an-tanana sy hanamora ny fandraisana azy ireo, araka ny nambaran’ny Minisitra Gérard Andriamanohisoa. Marihina fa ity fiaraha-miasa ity dia mitohy amin’ny vokatra nateraky ny fihaonan’ny Filohan’ny Repoblika sy ireo mpiara-miombona antoka tany Beijing, tamin’ny volana Septambra 2024.
Fanazavana ny farihin’Anosy
Mbola nanamarika ny herinandro lasa teo ihany koa ny fifanaovan-tsonia ofisialy teo amin’ny SENVH sy ny Tale Jeneraly ny Afripower – Groupe Filatex mahakasika ny fanomezana « lampadaires » mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 75, hapetraka manodidina ny farihin’Anosy. Tafiditra amin’ny fitohizan’ny asa fanadiovana sy fanatsarana nataon’ny SENVH manodidina ny lac Anosy izay natolotra ny CUA izany. Tanjona ny fanomezana endrika madio sy azo iainana ho an’ny Tanàna, ary koa ny fampivoarana ny toe-tsaina tia fahadiovana sy fandraisana andraikitra iombonana.
Hiaraka ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny SENVH amin’ny fanaraha-maso sy fikojana ireo fitaovana ireo. Mitohy amin’ny sehatra maro hafa moa ny fiaraha-miasa eo amin’ny Groupe Filatex sy ny SENVH, ho fanohanana ireo tetikasa manatsara ny kalitaon’ny fiainan’ny mponina.
Ny Fanoratana.




