PolitikaSongadim-baovao
TETIKASA TANAMASOANDRO : Velaran-tany mirefy 980ha no hametrahana ny tanàna vaovao
Nanatanteraka fidinana ifotony tao Tsimahabeomby Imeritsiatosika ny Delegasiona vitsivitsy avy eo anivon’ny Minisitera lefitra misahana ny tanàna vaovao, ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Faritra Analamanga sy ny Faritra Itasy, ary ireo tomponandraikitra isan-tokony nijery ny toerana hanatanterahana ny tetikasa fanamboarana ny tanàna vaovao “Tanamasoandro”.
Ao amin’ny Fokontany Tsimahabeomby, Kaominina Imeritsiatosika, Distrikan’Arivonimamo, Faritra Itasy, no hametrahana ny tetikasa Tanamasoandro, Velirano nataon’ny Filoha Andry Rajoelina fony izy kandida ho Filoham-pirenena. Tomponandraiki-panjakana vitsivitsy no tonga nijery ity toerana hametrahana ny tetikasa ity omaly. Isan’izany ny Minisitra Lefitra Misahana ny tanàna vaovao, ny Tale Jeneralin’ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena, ny Governoran’Analamanga sy Itasy, ny mpanolontsaina manokan’ny Filoham-pirenena misahana ny fotodrafitrasa, ireo solombavambahoaka avy any amin’iny Faritra iny, ireo ben’ny tanàna ary sefo fokontany any ifotony.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nilaza ny Tale Jeneralin’ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Augustin Andriamananoro, fa “hanova ny tantara isika”. Mihazakazaka, hoy izy, ny asa fampandrosoana, ary ny ao Itasy no ho lasa ivon’i Madagasikara, afaka fotoana fohy. Raha ny fanazavana, dia hisy toeram-pitsaboana, sy ireo andrimpanjakana ary ireo biraom-panjakana rehetra ny toerana. Hahazo tombontsoa manokana koa ny mponina manodidina satria hisy rahateo ny fananganana trano mora. Manampy izany ny fitadiavana olona hiasa. Fotoana izay niantsoan’ity tomponandraikitra ity ny teo anivon’ny Kaominina mba hanentana ny vahoaka hiray fo amin’ny tetikasa.
Toeram-ponenana 50 000 isa
Tsara marihana fa ity tany eny Tsimahabeomby ity dia tanim-panjakana tamin’ny andron’ny Naza, ary anisan’ny manana “connexion satellite” tsara indrindra aty amin’ny Faritry ny Ranomasimbe Indianina. Efa nisy ny fifampiraharahana tamin’izay mponina nanana tany voakitika sy efa nohajariana. Nilaza ny Mpanolontsaina manokan’ny Filoha, Gérard Andriamanohisoa, fa “Ny vola tokony nanaovana ny expropriation sy ny fanotorana tany teny Ambohitrimanjaka dia nahafahana sahady nanomboka asa teny Imeritsiatosika”.
Hiorina amin’ny velarantany mirefy 980ha ny tanàna vaovao hapetraka, hoy ny Minisitra Lefitra misahana ny tanàna vaovao, Zasy Angelo. Notsindriany fa efa nisy hatrany ny fifampiresahana tamin’ny mponina. Ary nambarany fa ankoatra ny fanaovana ny Building ao amin’ny faritry ny tetikasa dia hisy koa fotodrafitrasa maro hafa atao. Tsiahivina fa ireo Minisitera sy tranom-panjakana rehetra eto Antananarivo, indrindra ireo manodidina ny farihin’Anosy, dia ho afindra eny Imeritsiatosika avokoa rehefa vita ny tetikasa. Trano hatramin’ny 50 000 isa kosa no hapetraka ary tsy anavahana ny fisitrahana izany rehefa mahafeno ny fepetra takina. Tsara ho fantatra fa ankoatra ity tanamasoandro ity dia efa mandeha koa ny tetikasa fanamboarana building amin’ny toeran-kafa toa an’Arivonimamo sy ny eny Ivato.
Fampanantenana nataon’ny Filoha
Tetsy ankilany, tsy nanadino ny nitanisa ny maha zava-dehibe ny fametrahan’ny Filoha izao tetikasa izao ny Governoran’Analamanga. Notsindrian’ity tomponandraikitra ity, fa fampanantenana nataon’ny Filoha io, ary tsy maintsy tanterahiny. Sarotra, hoy izy, ny miverina eo amin’ny Fitondrana ka dieny mbola eo amin’ny toerana dia tokony hanararaotra ny tomponandraiki-panjakana rehetra. Ny fanaovana fotodrafitrasa dia tsy midika mihitsy ho fanaovana tsinontsinona ny lafiny sosialy, araka ny nambarany hatrany. Efa misy sokajiny, hoy hatrany ny tenany, ny asa sahanin’ireo Minisitera rehetra ao anatin’ny Governemanta ireo, ka samy manao ny sehatra tandrify azy avokoa ny departemantra tsirairay fa tsy hoe tsy miasa akory.




