PolitikaSongadim-baovaoToekarena
TETIKASA TELEPHERIQUE SY MANDRAKA III: Nahazo ny fanohanan’ny Frantsay, hanomboka tsy ho ela ny asa
Tontosa omaly 20 septambra 2021 tao amin’ny Minisiteran’ny Eoropa sy ny Raharaham-bahiny tao Paris, ny fanaovan-tsonian'ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny Tahirim-bolam-panjakana Frantsay, momba ny tetikasa hametrahana ny fitaterana "Téléphérique" eto Antananarivo sy ny tetikasa MANDRAKA 3.
Olana niainan’ny Mponin’Antananarivo tato anatin’ny taona maro nifandimby ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Efa nisy ny ezaka nataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny tamin’ny fanitarana sy fanamboarana ireo lalana izay hita fa ratsy ka mahatonga fitohanana. Teo ihany koa ny fanokafana ny lalana Rocade d’Iarivo. Eo koa ny efa fiketrehana ny fametrahana ny fitaterana andalamby an-tanan-dehibe. Omaly, vita indray koa ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny Tahirim-bolam-panjakana Frantsay, momba ny tetikasa hametrahana ny fitaterana « Téléphérique » eto Antananarivo sy ny tetikasa MANDRAKA 3. Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison sy ny Ministre délégué auprès du Ministre de l’Europe et des Affaires Etrangères Frantsay, Franck Riester no nanatontosa izany fifanaovan-tsonia izany. Ity tetikasa ity izay miompana amin’ny fametrahana fitaovam-pitaterana amin’ny alalan’ny tariby miantona. Izany hoe, hampihena ny mety ho fifamezivezena amin’ny alalan’ny fiarakodia. Mazava ho azy, araka izany, fa tsy ny fitohanan’ny fifamoivoizana ihany no hahazo tombony amin’ny tetikasa, fa eo ihany koa ny fisorohana ny fahalotoan’ny rivotra izay mbola mamparefo ny tanànan’Antananarivo.
Araka ny fanazavana, zotra roa no voakasik’ity tetikasa fitaterana «Téléphérique » ity. Voalohany amin’izany ny Zotra Mavo izay hampitohy an’Anosy, Andohalo, Ambanidia ary Ankatso. Eo koa ny Zotra Orange izay hampitohy an’Anosy, Ambohijatovo, Analakely, Soarano, Antanimena, Ankorondrano, Ivandry ary Ambatobe. Tsara ho fantatra fa manodidina ny 151.852.769 euros ny tombam-bidin’ny tetikasa.
Famokarana angovo
Tetsy ankilany, isan’ny vita sonia fifanaraham-piarahamiasa omaly ihany koa ny tetikasa MANDRAKA III izay miompana amin’ny fanitarana ny toby famokarana herinaratra ao Mandraka sy ny fampivoarana ny famokarana ny angovo azo havaozina. Vinavinaina hiakatra hatramin’ny 50% ny taham-pamokarana herinaratra hatramin’ny 2023 rehefa vita ity tetikasa ity Mandraka III ity. Ho an’ity farany manokana dia manodidina ny 47.829.530 euros ny tombam-bidiny. Ny orinasa Colas sy Poma kosa no hiara-hiasa amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ireo.
Taorian’ny fifanaovan-tsonia izay natao ny tao Paris, dia nitodi-doha ho any New York ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny vadiny hanatrika ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana ara-potoana andiany faha-76. Ity no Fivoriana an-tampony voalohany hatrehin’ny Filoham-pirenena amin’ny naha-Filoha lany ara-demokratika azy. Nataon’ny Filoha ho laharampahamehana ny fifantohana tamin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena ny taona 2019 raha vao nandray fitondrana izy. Nandefa ny Praiminisitra Christian NTSAY ho solontenany izy nandritry ny Fihaonambe andiany faha-74 tamin’ny taona 2019. Notanterahina tamin’ny alalan’ny visio-conference kosa ny fihaonambe andiany faha-75 nohon’ny aretina COVID-19 naneran-tany. Handray anjara fitenenana voalohany mandritry ny ady hevitry ny fihaonamben’ny Firenena Mikambana ny Filoha Andry RAJOELINA ny alarobia ho avy izao araky ny fandaharam-potoanany. Hisy ihany koa ny fihaonany amin’ireo tomponandraikitra ambony samihafa sy lehiben’ireo andrimpajakana iraisampirenena mandritry ny fihaonamben’ny Firenena mikambana andiany faha-76. Fotoana iray ihany koa io, hahafahan’ny Filoha mitondra sy mampita ny fomba fijerin’ny Governemanta Malagasy mikasika ny lohahevitra manaraka : « Construire la résilience par l’espoir, pour se remettre du Covid-19, reconstruire durablement, répondre aux besoins de la planète, respecter les droits des personnes et revitaliser les Nations Unies. »




