PolitikaSongadim-baovaoSosialy

TETIKASA TSY MAINTSY HIROSOANA ETSY ANALAKELY: Miantso ny mpivarotra hanaiky fandaminana ny Kaominina

Hatreto dia mbola mihenjan-droa ny tady eo amin’ireo mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina ary ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, tarihin-dRamatoa Ben’ny tanàna Ramanantsoa Harilala. Na teo aza, ny fanambarana nanaovana soso-kevitra handaminana azy ireo izay nataon’ny Kaominina ny zoma 28 martsa teo, dia tsy mbola nahafa-po ny mpivarotra izany. Nirosoana indray ny dinika omaly, niantsoana ireo solontenan’ny mpivarotra maromaro…

Samy tsy misy niverina amin’ny heviny aloha hatreto, na ny Kaominina na ny mpivarotra etsy Analakely, raha ny zava-misy omaly. Tsy hihemotra amin’ny efa nambarany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (KAR) mikasika ny firosoana amin’ny fanatanterahana tetikasa eny Analakely sy ny manodidina. An-kilany anefa, sarotra ho an’ireto mpivarotra ny hanamasaka toerana vaovao manoloana ny fotoan-tsarotra sy ny fifangaroana amina toerana tery, raha ny feon’izy ireo. Efa nisy fihaonana teo amin’ny roa tonta ny zoma 28 martsa lasa teo, dia ny solontenan’ireo mpivarotra sy ny Ben’ny tanàna Ramanantsoa Harilala, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna. Nambaran’ny Ben’ny tanàna tamin’izany fa hanomboka ny volana Mey izao ny fanovana ireo famoahan-drano avy amina tokantrano, mirefy 64km. Ao koa ny fanoloana fantson-drano lehibe (buses) izay samy mitaky fanalalahana lalan’ny mpandeha an-tongotra sy arabe avokoa. Manoloana izany dia nanome toerana voahomana ho azy ireo eo Analakely ihany ny KAR, dia eo anelanelan’ny Pavillon sy ny Esplanade, ary hatramin’ny omaly, 31 martsa, no fe-potoana farany nomena azy ireo hifindrany. Notsiahivina tao anatin’izany anefa, fa ny “trottoir” natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra, satria fiarovana ny ain’izy ireo izany, ka angatahan’ny KAR hanaraka fandaminana ireo voakasik’izany. Voalaza tao anatin’izany koa, ny tokony hanalalahana ireo toeram-piantsonan’ny fiara misy fiara maty, ny fiaraha-mientan’ny fanadiovana, ary ny fanajana ireo toerana afaka hametahana afisy.

Tsy handoa hofan-tsena iray volana…

Taorian’ny fitokonana nataon’ireo mpivarotra teny Analakely, omaly, izay fotoana farany hamindrana azy ireo amin’ny toerana efa voahomana io, dia nohamafisin’ny Ben’ny tanàna teo anatrehan’ny solontenan’ireo mpivarotra nandritra ny fihaonan’ny roa tonta indray, ny mikasika ny fandaminana ny tsena eo amin’ny JJ Rabearivelo, Zaimaika, ary Itokiana, noho ny antony fanamboaran-dalàna, izay tsy maintsy hanadiovana ny lalana sy ny “trottoir”. Nohamafisin’ny Ben’ny tanàna, fa manoloana ny fiveloman’ny fianakaviana maro amin’izy ireo dia manome toerana 500 mahery ny KAR, eo anelanelan’ny Pavillon sy Esplanade ihany, ary na eo aza, ny fifaneriterena dia tsy maintsy hirosoana ny fandaminana manoloana ny hirosoana amin’ny tetikasa. Mbola nanamafy ny heviny koa anefa ireo mpivarotra, izay nangataka hatrany ny hijanonany teo amin’ny toerana nisy azy teo aloha. Tsy mora anefa, ny fanatanterahina, ka iantsoan’ny Ben’ny tanàna ny mpivarotra hanaiky fandaminana. Manoloana io fifindran-toerana io dia nambarany, fa tsy handoa hofan-tsena iray volana ireo mpivarotra, hanazarany ny mpanjifany. Misokatra hatrany amin’ny fifampiresahana hikaroham-bahaolana ny Ben’ny tanàna, raha ny nambarany.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer