Songadim-baovaoToekarena
TETIKASAM-PAMPANDROSOANA : Nankatoavin’ny mpamatsy vola ny fanamboarana ny RN6
Hivoaka tsy ho ela ny tolobidy ho an’ny fanamboarana ny lalam-pirenena fahenina (RN6), mampitohy an’Ambanja sy Antsiranana. Fantatra izany nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy tany amin’ny Faritra Diana, ny fiandohan’ny herinandro teo. Araka ny fampitam-baovao, nankatoavin’ny mpamatsy vola ny fanatanterahana ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena fahenina. Nitsotra ny Minisitra fa nisy fahatarany kely ny fahazoana ity fankatoavana avy amin’ny mpamatsy vola ity, noho ny pitsopitsony ara-teknika sy fanovana tsy maintsy natao sehatry ny fanamboaran-dalàna amin’ny ankapobeny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanitsiana ny fomba fiasa amin’ny ankapobeny eo anivon’ny minisitera, ny fomba fanaovana tolobidy, ary ny fanomezan-danja ny fangaraharana. “Mitaky fomba fijery maharitra ireo mpamatsy vola”, hoy ny minisitra Andrianainarivelo Hajo. Tsy maintsy nasiam-panovana koa ny fomba fitantanana teo anivon’ny “Agence routière” sy ny “Fond d’entretien routier”. Ity farany izay niova ho “Fond Routier”. Noho ny Hamehana ara-pahasalamana misy eto amintsika, nahemotra hatramin’ny 24 septambra ny fiafaran’ny tolobidy. Aorian’izay dia hirosoana avy hatrany ny asa. Tsara marihana fa hizara roa mazava tsara fizotry ny asa. Tapany voalohany ny manelanelana an’i Ambanja sy Ambilobe, tapany faharoa ny eo anelanelan’Ambilobe sy Antsiranana.




