Songadim-baovao

TINAPAKA TAMIN’NY FILANKEVITRY NY MINISITRA : Ho amboarina manontolo ny lalam-pirenena fahefatra

Isan’ny fanapahan-kevitra lehibe noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra tao Mahajanga ny fanamboarana manontolo ny lalam-pirenena fahefatra na ny « RN 4 », manomboka ao Antanananarivo hatrany Mahajanga. Efa vonona ny famatsiam-bola ho amin’izany. Tetikasa roa izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, sy fampiasana ny volan’ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny « Fonds Routier » no entina manao ny asa amin’ity lalana ity. Eo ireo ampahan-dalana amboarina, amin’ny alalan’ny tetikasa PDDR na ny « Projet de développement durable des routes », izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena. Ny ampahany voalohany, manomboka eo Ankazobe hatreo Tsiafabositra (63 km), dia efa nahazo  fandaminana momba ny asa, ny 14 febroary teo ny orinasa. Vinavinaina ho ny volana marsa ity no hanomboka ny asa.

Eo anelanelan’i Tsiafabositra hatreo Ambalanjakomby (65 km), dia orinasa hafa indray koa mandray ny asa. Mbola amin’ny alalan’ny PDDR, ary efa nahazo « ordre de service » koa io orinasa io. Eo anelanelan’Andranofasika hatreo Mahajanga (65 km), dia mbola voakasik’ilay tetikasa PDDR, orinasa hafa koa ny hanao ny asa. Satria mbola misy  koa ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena ihany, amin’ny alalan’ilay PCMCI na « Projet Connecter Madagascar pour une Croissance Inclusive », izay misy ampahany misahana ny lalampirenena fahefatra.

Vola mitentina 30.471.592.671 Ar

Amin’ity herinandro ity no mahazo ny « ordre de service » ny orinasa fahefatra hanao ny asa. Misy ampahany eo anelanelan’ny PK 65 Soaniedalana hatreo amin’ny fidirana Ankazobe. Dia misy koa eo anelanelan’Antananarivokely hatreo amin’ny PK 353, ary eo amin’ny fivoahan’Ambondromamy Pk 394 hatrany amin’ny  tanànan’ Andranofasika Pk 450 hatreo Ambovondramanesy no hanaovana ny asa fanamboarana, amin’ny alalan’ity PCMCI ity. Araka izany, misy ireo ampahan-dalana izay vatsian’ny Fitondram-panjakana fanamboarana azy. Misy ampahan-dalana efa nanomboka tamin’ny 2024 eo amin’ny fivoahana an’Ankarafantsika PK 470 hatreo amin’ny PK 490. Misy ny ampahan-dalana ho ampiasaina ny « Fonds Routier ». Raha atambatra ireo vola ampiasana ho fanamboarana ireo ampahan-dalana raisin’ny Fanjakana an-tanana dia mitentina 30.471.592.671 Ariary izany.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer