Kolontsaina
TOAMASINA: Fahombiazana ny famelabelaran-kevitra nataon’ny mpanoratra Prem Rawat
I Prem Rawat dia teratany indianina, mpanoratra sady mpanao famelabelaran-kevitra kalaza manerantany. Isan’ny boky nosoratany sy malaza ilay mitondra ny lohateny hoe “Apprendre à s’écouter” izay mivoy ny fiadanana anaty na “paix intérieure”, ny kolontsain’ny Filaminana sy fihavanana na ny “Paix”, ary koa ny “Fanabeazana mahakasika ny Filaminana sy ny fihavana” na “Éducation à la paix”. Firenena 67 no efa notsidihany sy nizarana ireo fotokevitra ireo hatreto. Araka izany dia “Ambassadeur de la paix” ny tenany, ary mpiara-miasa amin’ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona Eoropeanina, sady mpamorona ny TPRF na ny “The Prem Rawat Foundation”.
Ny fikambanana Vagnona, izay mijoro ara-panjakana ao Toamasina, tamin’ny alalan’ny Filohany, andriamatoa Harison Stéphanio André, no nandefa fanasana tany amin’i Prem Rawat mba ho avy eto Madagasikara. Namaly izany fanasana izany ity Mpanoratra ity, ka nanatanteraka ny famelabelaran-kevitra tao Toamasina. “Rehefa nahafantatra azy izahay tamin’ny alalan’ny boky novakiana, tao anatin’ny Club des lectures atsinanana, izay noforoninay, dia nanohina anay ny hafatra tsotra nefa mahomby, izay alefany amin’ny alalan’ireo boky sy famelabelaran-kevitra ataony, dia izay no nanasanay azy, mba ho lasa loharanona aingam-panahy ho an’ireo tanora izy”, hoy ny fanazavan’i Harison Stéphanio André. Tratra ny tanjona, araka ny nambarany. Ny namalian’i Prem Rawat ny fanasana fotsiny dia efa fahombiazana lehibe satria maro ireo firenena miantso azy, raha ny fantatra, fa isan’ireo nofidiany i Madagasikara mba hanaovany iny famelabelaran-kevitra iny.
Nanome lanja sy voninahitra ny fotoana ihany koa moa ny fanatrehan’ny Filohan’ny Repoblika mivady ny famelabelaran-kevitra, notronin’ny Praiminisitra, ireo mpikamban’ny Governemanta, sy ireo olo-manakaja maro ankoatra ireo tanora maro nasaina.
Ny fikambanan Vagnona dia miezaka mandray anjara amin’ny fanomezan-danja ny Kolontsaina maroloko sy ny fifampitaizana amin’ny maha olom-pirenena vanona, araka ny fanazavana. Marobe, nanomboka tamin’ny sabotsy teo, no niantso maniry ny mba te hiditra anatin’ny fikambanana Vagnona. “Lazaina foana hoe ny “Vanona tsy Vonona”, ny “Vonona tsy vanona”. Fa ny tanjonay dia hoe “Vonona ny vanona, ary vanona ny vonona”. Mba hiaraka itondra anjara biriky amin’ny fanatsarana ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny sy amin’ny fiainana andavanandro”, hoy hatrany i Harison Stéphanio André.
Marihina fa aorian’i Madagasikara dia hitodi-doha any Afrika Atsimo sy Bénin i Prem Rawat.




