PolitikaSongadim-baovao
TOAMASINA : Noraisin’ny vahoaka tamin’ny fomba makotroka i Andry Rajoelina
Afakomaly tamin’ny 7 ora latsaka fahatelony no nigadona teo amin’ny Esplanade Miami ny kandida Andry Rajoelina niaraka tamin’ny vadiny sy ireo zanany telo mianadahy. Naharitra ora 3 sy sasany mahery ny diabe niainga teny amin’ny seranam-piaramanidina, namakivaky ireo toerana rehetra nandalovan’ny diabe niaraka tamin’ireo vahoaka maro tsy tambo isaina manara-dia ny kandida Andry Rajoelina, nahitana fiara maro, posy, tuctuc ankoatra ireo nisafidy ny handeha an-tongotra. Vahoaka analinkisa koa no efa niandry ny kandidà Andry Rajoelina, niaraka tamin’ny vady aman-janany, ankoatra ireo mpanohana efa nanaraka azy nandritra nydiabe niainga teny amin’ny Aéroport Salazamay hatreto amin’ny toerana hanaovana ny fihaonana amin’ny vahoakan’i Toamasina. Fandraisana makotroka, araka izany, no nataon’ny vahoakan’i Toamasina azy sy ny vady aman-janany. Tanaty hafaliana tanteraka ihany koa no nandraisana ny toerana vaovao eto amin’ny Torapasik’i Miami nanaovana ny fampielezan-kevitra tao Toamasina, afakomaly. Faly sy ravo rahateo ny vahoaka mandray ny angady nananana sy vy nahitana ity fotodrafitrasa manara-penitra tahaka izao.
« Tamin’ireo toerana rehetra nalehako dia fandraisana makotrokotroka avokoa no nitsena ahy. Adiny telo latsaka fahefany avy any amin’ny seranam-piaramanidina ka hatreo amin’ny toerana hanaovana ny fihaonana dia tena voalohany tamin’ny fandraisana ny teto Toamasina. Ato am-poko Toamasina ary Noporofoin’i Toamasina fa tia ary tena tiany, mbola tena tiany i Andry Rajoelina. Ka ny fandraisan’i Toamasina dia mihoatra noho ny fandraisana ny Barea », hoy ny kandidà Andry Rajoelina. Tsapan’ny vahoaka malagasy fa miasa isika ary betsaka ny asa vita. Tamin’ny nitokana ny Hotel de Ville teto aho tamin’ny taona 2013-2014 dia nilaza fa tsy hirotsaka. Nitomany ny ramatoa iray teto fa nilaza aho hoe aza manahy fa hiverina aho, raha ny fanazavany.
Vahoaka hatrany amin’ny 1 hetsy…
« Tamin’ny 2018 dia anisan’ny nanome vato betsaka i Toamasina, aminity 2023 ity dia hitako fa avo roa heny no tonga eto Miami, raha ny fanazavany. Raha ny tombana dia tsy latsaka ny 100.000 ny olona no tonga. ny eto. Rariny loatra raha hisaorako anareo rehetra. Reharehan’i Toamasina ny asa natao teto ka anisan’izany Miami : izay midika hoe Miray hina mifankatia. Tsy maintsy mandroso lasa lavitra isika ary atao mamiratra amin’ny alalan’ny tetikasa i Toamasina », hoy izy.
Matetika isika esoin’ny olona, ambanian’ny olona, enjehan’ny olona. Ny fankahalana tsy handresy ny soa. Izaho manokana tsy manaiky resin’ny ratsy. Aza manaiky resen’ny ratsy fa valio amin’ny soa ny ratsy. Ary isika tsy maintsy hampandroso an’i Madagasikara, raha ny fanazavany. Nambara foana hatramin’izay fa i Toamasina dia renivohitra ara-toekarena, fa noho ny fitiavako an’i Toamasina dia hatao reharehan’i Madagasikara ny fotodrafitrasa rehetra hatao eto an-toerana. Ny lalam-pirenena faharoa Antananarivo-Toamasina dia efa tamin’ny andron’ny fanjanahantany no namboarina. Atao anatin’ny ora 10 na 8 io halaviran-dalana io. Mandeha amin’io lalana io avokoa ireo fiara Kamiao lehibe mitondra entana mavesatra ka manamora ny fahasimban’ny lalana. Izany indrindra no antony tsy maintsy hanaovana « autoroute » voalohany ka raha ora 10 izany taloha dia lasa adiny roa ora sy sasany izany amin’io « autoroute » hatao io, raha ny nambaran’ny kandidà Andry Rajoelina.
Atao miavaka…
« Ity Miami ity hatao miavaka. Mbola hitohy lavitra ka ho reharehan’i Madagasikara. Nanaovana « jet d’eau » goavana be ianareo eto Toamasina, izay naseho ny vahoaka ny sabotsy teo. Rehefa manao vakansy ny olona dia any Mahajanga foana matetika. Rehefa vita ny « autoroute » dia ho avy eto Toamasina avokoa na vahiny na Malagasy. Mandeha isaky ny adiny 1 ny « jet d’eau » amin’ny 6-7-8-9ora. Ny lapihazo dia hasiana « chapiteau » hanaovana fampisehoana goavana. Ahitana trano fisakafoana ihany koa eto Miami », hoy ny kandidà laharana fahatelo. « Ataontsika miavaka i Miami ary tena ataontsika miavaka tanteraka. Rehefa hitokana ity isika dia betsaka ny mbola hampiavaka an’i Madagasikara. Na mbola iza no hitondra ny firenena dia tsy misy mahasolo ny filoha Andry Rajoelina izany », hoy izy. Nasongadiny fa ny fe-potoam-piasana manaraka dia atokana hitsinjovana ny tanora, hanampy ny fikambanam-behivavy, hanampiana ny marefo. Betsaka ny « building » sy ny trano mora natao fa tsy ny rehetra anefa no afaka nisitraka sy mividy ireny. « Amin’ny fe-potoam-piasana manaraka dia hanao tanàna vaovao maro isika. Ny fanjakana no manazary ny tany: manangana hopitaly, sekoly, CSB II, tsena sns. Afaka mividy parcelle ny tsirairay avy arakaraky ny fahefa-mividiny, amin’izay mahazo tany daholo ny vahoaka malagasy rehetra ka anisan’izany ny eto Toamasina », hoy izy nanamafy.
Rado Harivelo.




