Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
TOAMASINA : Saron’ny zandary ny alan-drongony 13 ha, olona dimy voasambotra
Taorian’ny hetsika manokana notontosain’ny Vondron-tobim-pileovana zandarimaria Atsinanana momba ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina. Tanimboly tavy sy ala mirefy 13 ha eo ho eo no tratra nambolena rongony miaraka amin’ny varialoha tao amin’ny kaominina Ambodirazana sy Andranobilahy, ao anatin’ny distrikan’i Toamasina II, omaly. Fototra rongony 10.000 isa eo ho eo no nongotana sy nodorana avy hatrany. Rongony maina milanja 250 kg no tratra, izay efa vonona alefa any Toamasina. Olona miisa dimy no tra-tehaky ny zandary, ka lehilahy telo ary vehivavy roa no nosamborina, izay tompon’ireo tany nambolena rongony tratra ireo. Hatolotra an’ny fampanoavana ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Toamasina ireo olona ireo ao aorian’ny famotorana. Nambaran’ny lefitry ny komandin’ny vondron-tobim-pileovana zandarimaria Atsinanana, ny Komanda Diambelou Euclide « fa misy hatrany ny fanentanana ny vahoaka eny ifotony, amin’ny resaka Tagnamaron’ny fandriampahalemana, indrindra ny fampitam-baovao. Izao hetsika izao, dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny tanjon’ny Zandarimariam-pirenena, dia miaro ho antoky ny fampandrosoana ifotony na ny « Mafi ».
Lehilahy telo hafa tratra…
Ankoatra izay, rongony milanja 20 Kg no tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana mitambatra Moramanga, izay nanao fisafoana nandritra ny alin’ny 29 hifoha 30 marsa lasa teo, tao an-tampon-tanànan’ny renivohitry Moramanga. Lehilahy miisa telo, araka izany, no tratra nitondra ireto rongony ireto ary efa notanana natao andrimaso avokoa. Marihina fa taorian’ny fifampiresahana, araka ny toromarika avy amin’ny Tonia mpampanoa ao Moramanga dia ny Kaomisaria ao Moramanga no mandray an-tanana ny fanadihadiana. Tiana ny manamarika fa mbola voararan’ny lalàna ary tsy mbola malalaka, mety mampigadra ny fitondrana, ny fivarotana sy fifohana rongony eto amintsika, araka ny lalàna lah-97 039 tamin’ny 4 novambra 1997, izay mamehy ny fanaraha-maso ny rongony sy ny zava-mahadomelina izay. Io lalàna io no mamaritra ny sazy mifanaraka amin’ireo olona tratra mivarotra, mifoka zava-mahadomelina.
Misy koa ireo firenena any ivelany mamela malalaka ny fivarotana sy fifohana rongony, saingy tsy mbola ao anatiny isika. Anisan’ny fototry ny asan-jiolahy izy ity eto Madagasikara, ary mamerimberina izany matetika ny mpitandro filaminana miandraikitra izany. Na polisy na ny zandary dia samy manana ny sampana miady amin’ny zava-mahadomelina. Maro ny rongony efa tratra, ary nodorana, ny fandravana tanimbolin-drongony. Araka ny lalàna dia dorana eo imason’ny tomponandraiki-panjakana ireny rongony ireny. Mampiditra am-ponja iray ka hatramin’ny dimy taona, mpiampy lamandy ny fahatrarana olona mivarotra sy mifoka rongony.
Rado Harivelo




