Songadim-baovaoToekarena

TOBIM-PAMOKARANA HERINARATRA RANOMAFANA : Hisahana ny 25%-n’ny famokarana ho an’Antananarivo sy ny manodidina

Ho atsangana ao Ranomafana, Distrikan'Ankazobe, ny Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny reniranon'Ikopa, manana tanjaka 64MW. Vokatry ny fiaraha-miasa avy amin’ny Firenena sinoa, amin’ny alalan’ny orinasa Sinohydro, izay hisahana ny 25% ny famokarana herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina. Hampihena ny fiankinan-doha amin'ny famokarana herinaratra ampiasana solika ary indrindra hampihena ny vidin-jiro ho an'ireo mpanjifa izany…

Tontosa omaly ny fanombohana ny asa fanamboarana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny reniranon’Ikopa. Ao amin’ny toerana antsoina hoe Ranomafana, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe no hanorenana azy. 90 Km miala an’Antananarivo izany toerana izany. Manana tanjaka 64 MW ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’izany rano izany, ary ahasahana ny 25% ny herinaratra ilain’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo na RIA. Ny orinasa Synohydro no hanatontosa ny asa. Ankoatra ny fampitomboana ny famokarana angovo dia ny hanena ny sandan’ny famokarana herinaratra, ary indrindra, hanena ny vidin-jiro ho an’ny mpanjifa no tanjon’ny fanamboarana ity tombim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano ao Ranomafana ity. Hatreto, mbola avy amin’ireo gropy mandeha amin’ny solika mavesatra sy gazoala no hamokarana ny 70%-n’ny herinaratra eto amintsika. Manodidina ny 1.200 AR ny KW amin’ny fampiasana ireo gropy ireo. Nefa ny Jirama dia mivarotra izany 764 AR ho an’ny mpanjifa. Mitarika fatiantoka ho an’ny Jirama izany, ary manavesatra ihany koa ny fandanian’ny Fanjakana.
Mba hanetsemana izany fatiantoka izany mantsy no antony tsy maintsy anomezan’ny Fanjakana fanampiana ara-bolan’ny Jirama, mitentina 200 hatramin’ny 250 tapitrisa dolara. Araka ny nohazavain’ny Filoha Rajoelina dia 4 Ar monja ny sandan’ny famokarana herinaratra avy amin’ny toby mandeha amin’ny rano. Izay no nahatonga ny Fitondrana izay tarihiny nametraka fanamby hanatontosa faran’izay haingana ity tetikasa ao Ranomafana ity. Haharitra 3 taona sy tapany ny asa fanamboarana ity tobim-pamokarana herinaratra ao Ranomafana ity, raha ny nambaran’ny Filoha. Ezahina ho 3 taona nefa izany. “Ezahintsika miaraka amin’ny Synohydro, izay orinasa sinoa matanjaka sy malaza, mba faran’ny taona 2027 na alohan’ny fetin’ny fahaleovantena ny volana jona 2028 dia mba ho tonga isika hitokana izany”, hoy izy.

Mitady vahaolana maharitra…

Nambaran’ny Filohampirenena tao anaty lahateniny fa reny, sy tsapany ny fahasahiranan’ny vahoaka manoloana ny olan’ny herinaratra. “Miasa isika. Ny asa fanorenana an’i Madagasikara anefa dia tsy vita mora. Na dia efa nohafainganina aza ny fametrahana ny fotodrafitrasa, mbola betsaka ny zavatra mampikaikaika ny vahoaka ankehitriny. Tsapa fa mbola mikaikaika ny vahoaka malagasy amin’ny fahatapatapahan’ny jiro sy ny tsy fahampian’ny famokarana herinaratra eto amintsika. Efa miezaka isika, fa ezahina hatrany ny mitady vahaolana maharitra amin’ny famokarana herinaratra eto Madagasikara”, hoy izy. Araka izany, mangataka ny faharetan’ny vahoaka ny Filoha, satria efa an-dalana ny fametrahana ireo vahaolana maharitra. Ny Filoha Andry Rajoelina moa no nitarika ity lanonana tao Ranomafana, Ankazobe ity, omaly. Isan’ny niara-dia taminy i Ji Ping, masoivohon’ny Sina, sy Jean-Baptiste Olivier, minisitry ny Angovo sy Akoranafo.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer