
Songadim-baovao
TOBY KOLONELY MOHAJY : Notanterahina ny famindram-pibaikoana ny Vondron-kery vonjitaitra
Notontosaina tetsy amin’ny Toby Lietnà-kolonely Mohajy Andriamahasolo Fort Duchesnes ny lanonana ara-miaramila roa sosona, ny zoma lasa teo, ny famindram-pibaikoana teo anivon'ny Vondron-kery vonjitaitra sy ny fandraisam-pibaikoana ny Vondron-kery mpilatsaka an'elonaina sy entin'Angidimby. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena…

Notontosaina tetsy amin’ny Toby Lietnà-kolonely Mohajy Andriamahasolo Fort Duchesnes ny lanonana ara-miaramila roa sosona, ny zoma lasa teo, ny famindram-pibaikoana teo anivon’ny Vondron-kery vonjitaitra sy ny fandraisam-pibaikoana ny Vondron-kery mpilatsaka an’elonaina sy entin’Angidimby. Nitarika ny lanonana dia ny Jly Nixor Tsitambala, kaomandin’ireo Hery vonjy taitra (FIGN), natrehan’ireo Manamboninahitra zandary maro sy Tafika mpiray andiany amin’ireo tompon-danonana (La 27 sy La 29), notronin’ireo Fikambanan’ny vady zandary. Ny lanonana famindram-pibaikoana ny « Groupement d’intervention » dia nomarihina tamin’ny famindrana ny Faneva sy ny Sabatra fibaikoana teo amin’ny Lietnà-kolonely Rakotondranaivo Rojosoa, izay Kaomandy teo aloha sy ny Lietnà-kolonely Rakototiana Hery Kaomandy vaovao. Ny fandraisam-pibaikoana ny « Groupement Aéroporté » kosa, dia ny fanolorana ny Faneva sy ny Sabatra fibaikoana ho an’ny Lietnà-kolonely Rakotondranaivo Rojosoa, kaomandy vaovao nandimby ny Liétna-kolonely Randriamahery Faniry Tiana, izay lasa nanaraka fiofanana any ivelany.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Jly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, notronin’ireo Tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimaria (COGAS, A2, DQG, ESGN,…). Samy naneho fisaorana amin’ny ezaka vitan’ny Kaomandin’ny « Groupement d’Intervention » teo aloha izay voatendry hitarika rahateo ny « Groupement Aéroporté » ankehitriny, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena sy ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena no niarahaba manokana ny Kaomandin’ny « Groupement d’Intervention » vaovao ary nitso-drano azy ireo hahaleo hahalasana.




