PolitikaSongadim-baovao

TOE-DRAHARAHAM-PIRENENA: Miantso ny Miaramila ho tony ny Minisitry ny Foloalindahy

Notontosaina omaly teo anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy Ampahibe ny lanonana fifamindram-pitantanana teo amin’ny Minisitry ny Foloalindahy teo aloha, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ny Minisitry ny Foloalindahy vao nandray ny asany, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police Randriambelo Mandimbin’Ny Aina sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andriatsarafara Andriamitovy. Nanotrona izany koa ireo tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, ny Etamazaoron’ireo Tafika sy ny anivon’ny Etamazaoro telo tonta .
Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nanao antso avo ho an’ny Foloalindahy amin’ny tamberin’adidy ho an’ny vahoaka mpiray tanindrazana ny Minisitry ny Foloalindahy ny Jeneraly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, izay nampahatsiahy fa avy amin’ny vahoaka ny Foloalindahy ka mijoro miaro ny vahoaka sy ny fananany manoloana ireo ambana marolafy na an-drenivohitra indrindra ny any ambanivohitra . Mpitandro filaminana hiady amin’ny tsy fandriampahalemana hiara-hiasa tanteraka amin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, izay iray tsy mivaky. Nanao antso ho an’ny miaramila ihany koa ny Minisitra, mba ho tony mandritra izao fotoan-tsarotra izao ka tsy ho voazarazaran’ny hevitra samihafa fa iray ihany ny Foloalindahy Malagasy, izay manaja toy ny anakandriamaso ny lalàna velona sy ny fitsipi-pifehezana misy eo anivon’ny Foloalindahy. Nankasitraka ny zava-bitan’ny Minisitra teo aloha izy no sady nanamafy ny fanohizana ireo asa fampandrosoana ny Foloalindahy malagasy, miainga amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana. Nifantoka tamin’ny fisaorana ireo mpiara-miasa rehetra tamin’ny fifanomezan-tanana tamin’ny fiaraha-miasa sy firariantsoa ny Minisitra vaovao ny lahatenin’ny Minisitra teo aloha.
Tiana ny manamarika fa araka ny didim-panjakana laharana 2025-1037, manendry ny ampahany amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ny 7 oktobra 2025, dia voatendry ho Minisitry ny Foloalindahy ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, izay novoaka avy amin’ny andiany faha XVIII teo anivon’ny Akademia Miaramila Antsirabe. Andrasana fatratra, araka izany, ny andraikitra marolafy miandry azy, indrindra ny famerenana amin’ny laoniny ny filaminana, ao anatin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny Firenena izao.
Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer