PolitikaSongadim-baovao

TOE-DRAHARAHAM-PIRENENA: Mitohy ny asan’ny Governemanta Ntsay

Samy mitohy manatanteraka ireo asa manandrify ny departemanta minisiterialy sahaniny avy ireo Minisitra mandrafitra ny Governemanta Ntsay Christian ankehitriny, na dia teo aza ilay fitsipaham-pitokisana nokasain’ny Solombavambahoaka sasantsasany natao, ny herinandro teo.

Mazava ny fanambarana an-taratasy nataon’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, nivoaka ny 08 desambra 2022, nilaza fa tsy azo noraisina ny fitsipaham-pitokisana napetrak’ireo Solombavambahoaka sasantsasany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena noho ny pitsopitsony araka ny lalàna izay tsy voahaja. Dikany, mbola am-perinasa tanteraka, ary tsy mihantona, araka ny voizin’ny olona sasany ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ankehitriny. Diso tanteraka, noho izany, ny fanambaran’ny Depiote Rahasimanana Paul Bert, nandritra ny asam-baomiera mahakasika ilay tolo-dalàna momba ny zon’ny mpamorona, ny alatsinainy teo, izay nilaza fa efa nisy ny fitsipaham-pitokisana napetraka ka tsy mahazo miteny ny Governemanta.

Samy manohy ny asany avy ankehitriny ireo Minisitra mandrafitra ny Governemanta. Tafiditra ao anatin’izany ireo miara-dalana amin’ny Filohan’ny Repoblika any Washington, manatrika ilay fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy Afrika, ahitana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sady Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo.

Ireo Minisitra eto an-tanindrazana ihany koa mitohy amin’ny asa manandrify azy avy, toy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, izay nanatrika ny fandaniana indray ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2023, teny amin’ny Antenimieram-pirenena omaly. Teny Tsimbazaza ihany koa ny Minisitry ny Asa vaventy, Jerry Hatrefindrazana, nitondra ny Volavolan-dalàna laharana faha-019/2022 tamin’ny 16 Novambra 2022 « autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relatif au financement additionnel du Projet de Durabilité du Secteur Routier à Madagascar conclu le 03 Octobre 2022 entre la République de Madagascar et l’Association Internationale de Développement (IDA) » izay findramam-bola mitentina 100 tapitrisa dolara na 418 miliara 189 tapitrisa Ariary entina hanamboarana ny lalampirenena.

Tetsy ankilany, tazana nitondra ny volavolan-dalàna laharana faha-009/2022 mikasika ny « orientation générale du système éducatif à Madagascar » ihany koa ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Marie Michelle Sahondrarimalala, sy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Vavitsara Gabriella Rahantanirina, omaly, teny amin’ny Antenimierandoholona. Ary ny faran’ny herinandro teo, ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, Fidiniavo Ravokatra, dia nirotsaka an-tsehatra nanampy ny teo anivon’ny Faritra Analamanga sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny fanesorana ireo fako misavovona eto an-drenivohitra.

Dikany, tsy mihozongozona araka izay aelin’ny mpanao politika sasany ny Fitondrana mijoro ankehitriny fa mitohy amin’ny fanatanterahana ireo vina sy asa fampandrosoana efa nanaovana fanamby tamin’ny vahoaka. Raha tsy misy ny fiovana, dia hiatrika Filankevitry ny Minisitra ireo mpikamban’ny Governemanta, miaraka amin’ny Praiminisitra sy ny Filoham-pirenena amin’ity anio ity.

Fermer