Fanadihadiana Manokana

TOE-TENA DIABETIKA: Mahazo ny olona maherin’ny 500 tapitrisa maneran-tany

Marihina anio 14 novambra ny andro maneran-tany ho an’ny diabeta. Zava-misy iainana ny hoe mihamitombo hatrany ireo olona manana toe-tena diabetika. Olona maherin’ny 500 tapitrisa maneran-tany ankehitriny no fantatra fa diabetika.

Tsy aretina akory fa toe-tena entina mandra-maty vokatry ny tsy fahaizan’ny vatana mampiasa ny siramamy hoentin’ny sakafo ny diabeta, hoy ny fanazavan’ny mpitsabo. Izany hoe raha fantatra fa diabetika ny olona androany dia mitondra io teo-batana io izy mandritra ny androm-piainany rehetra.
Niakatra avo efatra heny nitaha ny tamin’ny taona 1980 ny olona voan’ny diabeta manerana an’izao tontolo izao, raha ny tatitra avy amin’ny Vondron’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana na ny OMS. Izany hoe 108 tapitrsa ny tamin’ny taona 1980, niakatra 422 tapitrisa tamin’ny taona 2014, ary tombanana maherin’ny 500 tapitrisa ankehitriny ireo olona diabetika manerana an’izao tontolo izao.
Mitombo mitovy amin’izany ihany koa ireo olona manana toe-tena diabetika eto Madagasikara. Antony manazava io fitomboana io, hoy ireo mpitsabo, ny tsy fampiharana fomba fisakafoana ara-pahasalamana. Manampy trotraka io ihany koa ny firongatr’ireo toeram-pisakafoana sy fivarotana sakafo, ary “Fast Food” ho an’ny eto an-drenivohitra manokana. Noho izany, fantatra fa ny 4%-n’ny Malagasy no manana ny toe-tena diabetika. Ho an’ny eo anivon’ny AMADIA (Andia Malagasy Miady amin’ny Diabeta) fotsiny anefa, miisa 51 000 ireo mpikambana manaraka fitsaboana ao amin’izany ivotoerana izany. Miainga avy amin’ireo tarehimarika ireo, noho izany, tombanana ho efa manodidina ny iray tapitrisa ny Malagasy diabetika saingy maro ireo tsy mahafantatra fa manana io toe-tena io ny olona iray.

Ireo tsara ho fantatra…
Araka izany, tsara ny mahafantatra fa misy karazany 2 ny aretina diabeta. Misy ny “Type1” mpiseho any amin’ireo ankizy izay 05%-n’ireo marary. Misy kosa ny karazany “Type2” miseho any amin’ny 90%-n’ireo marary. Ity farany izay mahazo ireo olona matavy noho ny fihinanana sakafo matavy, any amin’ireo olona tsy mampiasa vatana, na ihany koa olona manana foto-tarazo diabetika mihitsy.
Fambara mety hahafantarana ny fitrangan’ny diabeta amin’ny olona iray ny hoe mangetaheta lava sy misotro rano foana izy, mivalandrano matetika, mazoto homana sy tenda-kanina nefa noana lava sy miha mahia. Tsy adinoina ihany koa fa mety ho reraka lava ny olona voan’ny diabeta. Ireo fambara ireo dia tokony hanaitra ka mila manatona mpitsabo hatrany ny olona ahitana ireo, ahafantarana ny olana eo amin’ny vatany. Manampy ireo rehetra ireo, mila mitandrina ihany koa ny olona avy amin’ny fianakaviana diabetika, matavy sy tsy mampiasa vatana, misy fery sarotra sitranina, afa-jaza matetika, miteraka zaza mihoatra ny 4 kilao, na miteraka tsy ampy lanja mba hanara-maso akaiky ny fahasalamany mahakasika ny diabeta hatrany.
Rehefa izany, fihetsika azo ampiharina ho fisorohana ny diabeta ny:
-Fampiasana vatana. Mandeha an-tongotra 30 minitra isan’andro farafahakeliny,
-Fampihenana ny fihinanana sakafo mamy loatra sy matavy,
-Fampihenana ny fihinanana haninkotrana ambanin’ny tany,
-Fanenam-batana raha toa ka matavy loatra,
-Fifadiana zava-pisotro misy alikaola.

14 novambra: andro maneran-tany ho an’ny diabeta
Marihina amin’ity anio 14 novambra ity ny andro maneran-tany ho an’ny diabeta. Antony nametrahana io daty ny hoe mifanandrify amin’ny daty nahaterahan’i Frederick Grant Banting (14 novembra 1891 – 21 febroary 1941) izay dokotera sy mpahay siansa kanadianina nahazo ny Prix Nobel noho ny fahitany ny insuline tamin’ny taona 1923. Ny 14 novambra ihany koa no daty nosafidian’ny Federasiona iraisam-pirenena momba ny diabeta (FID) sy ny OMS mba hampahafantarana misimisy kokoa momba ny toe-batana « diabetika » izay mahavoa olona maro be isan-taona maneran-tany.
Lohahevitra havoitra mandritra ity taona ity ny hoe “ny diabeta sy ny fahatsaram-piainana”. Manamarika ny fiandohan’ny lohahevitra vaovao izay ho ampiasaina mandritra ny 3 taona manaraka ihany koa izany. Tanjona tamin’ny nisafidianana io lohahevitra io ny hampahafantarana misimisy kokoa mahakasika ireo fiantraikan’ny diabeta eo amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsain’ireo voakasika. Vokatry ny fanadihadiana nataon’ireo mpiantsehatra ny hoe:
-Olona mihoatra ny 1 ao anatin’ny 3 voan’ny diabeta no mahatsapa faha mijaly noho ilay toe-batana.
-Efa ho olona 2 ao anatin’ny 3 voan’ny diabeta no nilaza fa misy fiantraikany amin’ny fahasalamany ny tahotra ny mety ho tratry ny fahasarotana vokatry ny diabeta.
-Efa ho olona 1 ao anatin’ny 3 voan’ny diabeta no nilaza fa sarotra aminy ny mijanona ho tsy manana ahiahy manoloana ny toe-batany.
Mandritra ity herinandro ity, toeram-pitsaboana maromaro no manatanteraka fitiliana diabeta maimaimpoana ho fanamarihana io andro maneran-tany ho an’ny diabeta io. Tsy misy afa-tsy ny fanaovana fitiliana irery ihany mantsy no hahafantarana ny olona iray fa manana toe-tena diabetika izy
LEG3: Marihina anio ny andro maneran-tany ho an’ny diabeta.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer