SamihafaSongadim-baovaoSosialy

TOERAM-PIALAMBOLY : Vita ny 80%-n’ny fanarenana ny Analamanga Park

Tany amin’ny taona 2006 tany no efa nisy ny toeram-pialamboly Analamanga Park, etsy amin’ny Lalam-pirenena fahafito, mampisaraka ny Faritra Analamanga amin’ny Faritra Vakinankaratra. Efa-taona teo eo ihany no niasa ara-dalàna ity toerana ity, ary tsy nisy fikojakojana intsony taty aoriana. Izany hoe, nanodidina ny 10 taona teo eo izany no tsy niasa Analamanga Park. Nanomboka tamin’ny 2019, nanapa-kevitra ny Governoran’Analamanga, fa hanajary ny toerana. Izy ity dia fampiasam-bola izay  everina fa hanampy amin’ny fampidiram-bolan’ny fiadidiana ny faritra Analamanga ihany. Hatreto, . 80%-n’ny asa fanarenana no efa vita. Isany hanaovan’ny Faritra fanamboarana ny lalàna Pavé eo ampidirana sy mamakivaky ny toerana. Eo koa ny fanatsarana ireo Bungalow rehetra ao anatiny,  nisy ny fandokoana natao, ary fampitaovana. Amn’ny maha toeram-pialamboly azy dia tsy maintsy ilaina ny rano fidiovana, ary efa nojerena ireo fotodrafitrasa  entina mamatsy izany rano izany. Araka ny fanazavana, fitahirizan-drano 36 metatra  tora-telo no napetraka ao an-toerana. Efa misy loharano nakany izany any amin’ny 3km manodidina. Nohavaozina koa ireo dobo filomanosana roa, anaty trano sy ivelany. Hisy koa ny fametrahana toerana fitaizam-batana. Tanjona ny hamerenana indray ny Analamanga Park. Omaly, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny teo anivon’ny Faritra Analamanga tany an-toerana, nijerena ny fizotry ny asa rehetra, notarihin’ny sekretera jeneralin’ny Faritra, Ravomanana Vincent.

Fermer