PolitikaSongadim-baovao
TOERAM-PONENANA ETSY IMERITSIATOSIKA: Trano miisa 240 amin’ireo 320 hatao no efa andalam-pahavitana
Ny volana Janoary teo no nanomboka ny tetikasa fanamboarana toeram-ponenana vaovao etsy Imeritsiatosika. Efa mandroso ny asa fanamboarana ankehitriny, raha ny fanazavana. Marihina fa misy fizarana roa ny tetikasa, misy ny fanaovana ireo asa goavana. Misy koa ireo asa famaranana rehetra tsy maintsy vitaina. Raha ny vinavina dia any amin’ny volana Septambra no tokony hifarana ny asa rehetra. Ny Hamehana ara-pahasalamana no anisany nanakorontana ny fahafahana manaja ny tetiandro hanatanterahana ny tetikasa. Na izany aza, noezahana ny hanajana ireo fandaharam-potoana rehetra. Amin’izao fotoana, efa mahatratra ny 40% ny taham-pahavitan’ny asa. Ary trano miisa 240 no efa andalam-pahavitana ankehitriny, raha toa ka 320 ny fitambaran’ireo haorina, araka ny fanazavan’ny Talen’ny Fampiroboroboana ny toeram-ponenana eo anivon’ny Minisitera Lefitra misahana ny tanàna vaovao Randriambola Tsarovana Hajanirina. Ity farany izay nanazava fa ahitana efitrano lehibe fipetrahana ny trano. Misy koa efitra antonontonony roa ao ambony rihana, misy zaridaina ao ambadika, izay niarahana niasa tamin’ireo mpanao zaridaina matihanina, ary nampiasana “plante medicinale”. Mirefy 15m² ireo zaridaina manokana ho an’ny trano tsirairay io. Hisy koa toerana fanaovana fanatanjahantena toy ny Basket sy ny Volley, hanampy izay efa ananan’ny Kaominina any an-toerana. Ankoatra izay, misy koa ny fikasana hametraka fitaovana fanangonana rano izay hampiasaina hanondrahana ireo zaridaina ao an-toerana.
Tetikasan’ny Filoha
Nampahatsiahy ny Tale Jeneralin’ny Tanana vaovao sy ny toeram-ponenana fa tetikasan’ny Filoham-pirenena ity atao any Imeritsiatosika ity. “Hiaraha-mahalala fa efa tena sempotra Antananarivo, ka tany an-toerana no niantefa ny safidin’ny Filoha Andry Rajoelina”, hoy izy. Tsara ho fantatra fa fiandohana ihany ity fananganana toeram-ponenana ity, fa mbola ho avy ny fananganana ilay tanàna vaovao “tanamasoandro” sy ny fametrahana ny lalam-baovao hihazo eny an-toerana izay mampitohy amin ‘ny renivohitra.




