
PolitikaSongadim-baovaoSosialy
TOERAM-PONENANA : Trano lehibe miisa sivy no efa tafatsangana etsy Ivato
Tsy ho ela intsony dia ho vita tanteraka ny asa fanamboarana ny Immeubles R+4 etsy Ivato, raha ny zava-misy eny an-toerana no jerena. Trano lehibe na “Building” sivy amin’ireo 38 nambaran’ny Filoha fa ho atsangana eny an-toerana no efa tafajoro ankehitriny. Ho atao aoriana kely ny hafa, hoy ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Gérard Randriamanohisoa omaly, raha nitsidika teny an-toerana.
Efa roa taona latsaka izao no nisokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay maniry ny hisitraka trano amin’izany building izany. Niisa 19766 ireo efa nisoratra anarana, hatramin’ny 21 marsa teo, raha ny fanazavana, ka ny 15 000 tamin’ireo ihany no azo noraisina. Manodidina ny 14 000 tamin’ireo nisoratra anarana no avy eto Antananarivo, ka nangataka trano tamin’ireo Building etsy Ivato. Mba hisian’ny mangarahara, dia olona avy amin’ireo 14 000 ireo no jerena izay mahafeno ny fepetra, ary hatao fisarihana amin’ny fahazoana ny trano. Isan’ny fepetra voalohany ny fananan’ilay olona fidiram-bola raikitra isam-bolana, ohatra amin’izany ireo mpiasam-panjakana. Eo koa ireo sehatra tsy miankina sasany. Tsy maintsy manokatra kaonty “credit immobilier” any amin’ny banky ireo mpisitraka. Mandritra ny 15 taona kosa no hahafahana mamerina ny vola any amin’ny banky. Izany hoe, any amin’ny banky no aloa ireo vola tokony ho hofan-trano. Nilaza ny SENVH fa efa natao Mora lavitra noho ny any amin’ny tsy miankina ny vidin’ny trano ao amin’ny Building ataon’ny Fanjakana. Tsy mbola voafaritra izao kosa anefa izany vidiny izany, fa mbola tsy maintsy hifampiresahana miaraka amin’ny Filoham-pirenena.



