Songadim-baovaoSosialyToekarena

TOERAM-PONENANA: Tsy manara-drafitra avokoa ny 70%-n’ny trano fonenana eto Madagasikara

Isaky ny Alatsinainy voalohany amin’ny volana Oktobra no natokan’ny Firenena Mikambana hanamarihana ny andro manerantany ho an’ny Toeram-ponenana. Isan’ny nanamarika izany isika teto Madagasikara. Nandritra ny fanamarihana omaly no nanambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana, Gérard Andriamanohisoa, fa ny 70%-n’ny trano fonenana eto Madagasikara amin’izao fotoana no efa tsy misy manara-drafitra intsony.

Nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny Toeram-ponenana omaly alatsinainy faha 4 ny volana oktobra no nanambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana, Gérard Andriamanohisoa, fa ny 70%-n’ny trano fonenana eto Madagasikara amin’izao fotoana dia efa tsy misy manara-drafitra intsony. Izany, hoy ity tomponandraikitra ity, no maha zava-dehibe ny fanorenana tanàna vaovao. “Tsy haitraitra fa hitsinjovana ny fitomboan’ny mponina sahady izany”, hoy ny fanambarana. Tsara marihina fa raha ho an’Antananarivo manokana sy ny tanàn-dehibe enina eto Madagasikara, dia voasokajy anisan’ireo tanàna aty Afrika, izay manana mponina haingam-pitombo be indrindra. Ka ao anatin’ny folo taona dia hitombo avo roa heny ny mponina ka ho tafiakatra hatrany amin’ny 1 200 000 ny isan’ny mponina eto Antananarivo fotsiny. “Izay no maha zava-dehibe ny fanometrahana ny tanàna vaovao. Tsy eto Antananarivo ihany, misy koa any Antsiranana, Mahajanga, Toliara, Fianarantsoa”, hoy hatrany ny fanazavana.

Fotoana io omaly io nilazan’ny tomponandraikitra fa efa mandeha ny ezaka amin’ny fametrahana ny trano fonenana miisa 50 000 ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana. Samy hahazo ny anjarany amin’io avokoa io faritra rehetra manerana ny Nosy, araka ny fanazavana. Toeram-ponenana manaja ny maha olona, io no tanjona. Ny 20 000 amin’ireo 50 000 ireo no kasaina ho tafapetraka hatramin’ny 2022, raha ny vina. Efa misy ny fivoriana iarahana amin’ireo Ben’ny tanàna eto Antananarivo sy ny manodidina amin’ny toerana rehetra hananganana ireo trano vaovao.

Fanajana ny tontolo iainana

“Tontolo an-tanàn-dehibe tsy misy entona manimba ny tontolo iainana sy mampiakatra ny hafanan’ny tany”, io no lohahevitry ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Toeram-ponenana tamin’ity taona ity. Ho antsika eto Madagasikara dia efa ao anatin’ny fanatanterahana izany tanteraka, amin’ny alalan’ireo tetikasan’ny Filoha marobe. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny “Train urbain” sy ny Téléphérique izay manaja tanteraka ny tontolo iainana. Ireo tetikasa ireo izay hanala ny fitohanan’ny fiarakodia, sady hampihena ny fivezivezena amin’ny alalan’ny fiara.

Ny andro omaly dia nomarihina avy hatrany tamin’ny asa, teny amin’ny faritra iva. Ny tena olan’ny toeram-ponenana eto Madagasikara dia eny amin’ireny faritra iva ireny, hoy ny fanazavana. Manarintsoa, Andranomanalina, Anatihazo, no anisan’ny faritra tena sahirana indrindra amin’ny famoahana rano, amin’ny toeram-ponenana sy ny trano fonenana. Nisy, araka izany, ny fidinana teny amin’ireo faritra ireo, niaraka tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, izay sady ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasan’ny Firenena Mikambana ho fanatsarana ny toeram-ponenana ihany koa. Misy ampahany amin’io tetikasa io izay hiarahana amin’ny Minisitera amin’ny fanorenana an’ireo “Maison communautaire”: ho azon’ny mponina ampiasaina ny any ambony rihana, ary ho biraom-pokotany sy fanasan-damba kosa ny ao ambany rihana. Mialohan’ny hanaovana ireo fotodrafitrasa izay mitaky fotoana ireo anefa dia efa hirosoana avy hatrany ny fanatsarana ny tanàna amin’ny alalan’ny fametrahana ireo jiro manazava, izay sady hanampy ihany koa aminy fampandriana fahalemana ny tanàna. Etsy ankilany, Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana, dia hanao tetikasa iray isaky ny boriborintany enina eto Antananarivo, any amin’ireo toerana be mponina indrindra, amin’ny fametrahana ireo fotodrafitrasa ho an’ny toeram-ponenana.

Fermer