PolitikaSongadim-baovao
TOERANA MAHA SOLOMBAVAMBAHOAKA : Araraotin’ny mpanohitra anaovana tatitra politika amboletra
Fanakorontanana no azo anasokajiana ny fihetsika asehon’ireo Solombavambahoaka mpanohitra ankehitriny. Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly nataon’ireo depiote avy amin’ny vondrona parlemantera IRD mahakasika izany. Nambaran’izy ireo fa any amin’ny toerana nahalaniana aloha ny depiote no tokony hanao tatitra voalohany. Saingy, araraotin’izy ireo hanaovana tatitra politika an-keriny any amin’ny faritra maro ny maha solombavambahoaka azy ireo.
“Miasa izahay Depiote IRD. Ary rehefa tonga ny fotoana tokony hanaovanay ny tatitra amin’ny vahoaka nifidy anay dia manao tatitra izahay any amin’ny toerana nahalany anay”, hoy ny Solotenan’ireo Solombavambahoaka miaradia amin’ny Fanjakana, raha naneho hevitra momba ireo depiote mpanohitra milaza hanao tatitra any amin’ny toerana maro eto Madagasikara. Any amin’ny toerana nahalany aloha no tokony hanaovana tatitra, hoy ireto depiote IRD ireto. Izany hoe, azo sokajiana ho fandrebirebena saim-bahoaka sy fanakorontanana ny filazana fa hanao tatitra amin’ny vahoaka, any amin’ny toerana tsy nahalaniana akory. Ekena, hoy ireto Solombavambahoaka IRD ireto, fa manan-jo hitety an’I Madagasikara ny depiote rehetra satria samy Solombavambahoakan’I Madagasikara avokoa rehefa tonga eo amin’izany toerana izany. Saingy tsy tokony hafangaro, hoy izy ireo, ny tatitry ny asa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, sy ny tatitra politika, izay resaka politika no ambadika, mazava ho azy. Izany hoe, te hamory olona sy ny hanao fanambarana politika izy ireo dia ampiasaina ny sata maha Solombavambahoaka mba tsy hahavoasakantsakana amin’izany. Fihetsika izay nodisoan’ireto depiote IRD ireto tanteraka.
Misy demokrasia eto
Niaiky ireto Depiote ireto fa efa hita sy tsapa ny ezaka rehetra ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny asa fampandrosoana. Ny mpanohitra anefa, hoy izy ireo, milofo amin’ny fanafenana izay asa rehetra ataon’ny Fanjakana any amin’ny vahoaka. Tsy vitsy mihitsy aza ireo miezaka manao izay tsy hahatanteraka ireo vina sy tanjon’ny Fanjakana. Tsy mahagaga, araka izany, raha mikiry amin’ny fanaovana tatitra isam-paritra ireo mpanohitra mba handotoana ny sain’ny vahoaka indray tsy hahita ny asa ataon’ny Fanjakana. “Ny fifidianana no tena fitsapana ny herin’ny mpanao politika”, hoy ireto Solombavambahoaka ireto. Ny mpanohitra eto amintsika aza anefa milaza tsy handray anjara amin’ny fifidianana. Ankoatra izay, notsipahin’ireto Depiote ireto ihany koa ny filazana fa tsy mahazaka Demokrasia sy tsy mahatanty fanehoan-kevitra ny Fanjakana. “Tamin’ny andron-dRavalomanana nitondra feno tanindrana tany amin’ny Fonjan’Antanimora, Fonjan’I Tsiafahy. Tsy nisy demokrasia teto, nijaly Madagasikara”, hoy ny vondrona parlemantera IRD. Ankoatra izay, betsaka ny tany lasan’ny vahiny tamin’ny andron-dRavalomanana nitondra. Entina hilazana fa niaina tao anaty jadona ny vahoaka, ary tsy manaiky intsony ny hiverenany eo amin’ny Fitondrana.
Efa mandeha ny asa fampandrosoana
Tsy tokony ho sakantsakanana intsony ny asa fampandrosoana efa mandeha ankehitriny, hoy ireo depiote ireto. Fotoana izay nampahatsiahivin’izy ireo ny politika ankapoben’ny Fanjakana izay naompana betsaka tamin’ny lafiny fitantanana, fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka, lafiny toekarena, tontolo iainana, sosialy. Ankehitriny, avy nandalo krizy Madagasikara. Ary nihena ny fidiram-bolan’ny Fanjakana. Nilaza ireto Solombavambahoaka ireto, araka izany, fa ny lafiny toekarena sy ny sosialimbahoaka no laharam-pahamehan’ny Fanjakana amin’izao fotoana izao. Mila resahana noho izany ny mahakasika ny fanarenana indray ny toekarena. Araka ny fanazavan’ny Depiote IRD, efa manana soso-kevitra ny Fanjakana hahafahana manarina ny toekarena. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fitantanana ny tetibolam-panjakana. Tsy maintsy hatsaraina ihany koa, ny lafiny fambolena sy fiompiana ary ny Jono. Ankoatra izay, ilaina ny fampivelarana ny indostria sy ny varotra. Hapetraka amin’ny distrika maro ny orinasa mpanodina vokatra. Eo koa ny fanatsarana ny fifehezana ny harena an-kibon’ny tany. Isan’izany ny fametrahana tahirim-bolamena betsaka ao amin’ny banky foibe. Ary koa, tsy maintsy tohizana ny fanamboarana fotodrafitrasa. Hampitomboina ihany koa ny famokarana angovo azo havaozina. Ankoatra izay, efa manana paikady hitsinjovana ny lafiny sosialy ny Fanjakana, hoy izy ireo. Isan’izany ny fametrahana CSB maro atao manerana an’I Madagasikara, hisy hopitaly betsaka atao amin’ny distrika, efa mandeha ny fanamboarana ny kianja manarapenitra any amin’ny distrika maro. Ary koa, efa hanaovana ezaka manokana ny Kere any Atsimo. Notsiandrian’ireo Solombavambahoaka ireo fa efa hita taratra ao anatin’ny “Loi de Finances Initial” daholo ireo voaresaka ireo.



