Songadim-baovaoSosialy

TOETRY NY ANDRO : Mbola hitohy ny tsy fisian’ny orana eto afovoan-tany

Naharaisana vinavinan’ny mety ho toetry ny andro mandritra ny faran’ny herinandro sy ny fiandohan’ny herinandro vaovao indray ny teo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Amin’ny ankapobeny, raha ny mamaritra ny toetry ny andro mandritra ny hateloan’andro manomboka anio, dia ny tsiokan’ny rivotra avy any Atsinanana. Izany dia midika fa ho maina amin’ny ankapobeny ny faritra maro manerana ny Nosy, afa-tsy ny amin’ny ilany Afovoany andrefana sy Avaratra andrefan’ny Nosy ihany no tsy hahamarin-toerana izany, ka hisiana orana tandrifin-drahona. Ho an’ny toetry ny andro anio maraina sy hariva, araka izany, dia ho maina ny andro amin’ny ankapobeny, hifandimby hatrany ny rahona sy ny masoandro amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, ary anisan’izany ny eto Afovoan-tany. Raha ny maripàna farany ambony voavinavina ho amin’ny anio dia hahatratra 27 ka hatramin’ny 28°C ho an’ny eto afovoan-tany.
Raha ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo, nanomboka ny 27 desambra 2024 ka hatramin’ny alakamisy 02 janoary 2025 dia ambany na manodidina ny fetran’ny OMS ny refy rehetra voaray. Raha ny mandrafitra ny toetry ny andro ao anatin’ny telo andro ho avy io, araka izany, dia vinavinaina hijanona ho antonony amin’ny ankapobeny ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo.
Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer