Songadim-baovaoSosialy

TOETRY NY ANDRO: Mipetraka ny fampitandremana momba ny fahabetsahan’ny rotsakorana

“Hahazo vahana hatrany ny varatraza ato anatin’ny roa andro manaraka”, hoy ny fampahafantarana avy amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro omaly. Vokatr’izany dia io varatraza io no saika mamaritra ny toetry ny andro eto Madagasikara, indrindra any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy, mipaka aty amin’ny faritry ny afovoan-tany. Rehefa izany, misy ny fampitandremana momba ny fahabetsahan’ny rotsakorana sy ny alondrano any amin’ny faritra afovoany atsinanana, sy any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo, ary atsinanan’ny Nosy, hoy hatrany ny sampana mpamantatra toetry ny andro. Mety hahatratra 40 hatramin’ny 90mm ao anatin’ny 24 ora ny habetsak’io rotsakorana io. Mahazo fampitandremana miloko mena ny Faritra Atsinanana. Fampitandremana miloko mavo kosa ho an’ny Faritra Analanjirofo sy Ambatosoa.

Tombanana hitoetra hatrany, araka izany, ny orana miatoato, mety hatevina indrindray any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara manomboka eo SAVA hatrany Atsimo Atsinanana hatramin’ny rahampitso. Mety hanerika ihany koa indraindray ny atin-tany sy ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany. Mety hanorana tandrifin-drahona mitsitokotoko  ny toerana sasany amin’ny ilany andrefan’ny Nosy. Handrahona ny andro ary mety hanorana tandrifin-drahona mahalana ny tapany atsimon’ny afovoan-tany sy ny faritra atsimon’ny Nosy amin’ny faran’ny herinandro. Saika ho maina kosa amin’ny ankapobeny ny andro any an-kafa.

Nomarihin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro fa tombana hihamalefaka ny varatrasa amin’ny tapany faharoa amin’ity herinandro ity. Noho izany dia hiverina hiakatra indray ny maripana any amin’ny alakamisy any, saika manerana ny Nosy. 12°C hatramin’ny 27°C ny maripana farany amban. 22 hatramin’ny 38°C kosa ny maripana farany ambony.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.           

Fermer