SamihafaSongadim-baovaoSosialy
TOHANA ARA-TSOSIALY: Tsy nohadinoin’ny minisitera ireo mpanao gazety sy artista ao Mahajanga
Nandritra ny fandehanan’ny ekipan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tao amin’ny renivohitry ny Faritra Boeny nitondran’izy ireo tohana ara-tsosialy ho an’ireo mpanankanto sy mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovangazety any an-toerana. Zava-dehibe, hoy ny minisitra ny fanampiana azy ireo satria anisany sehatra voakasiky ny fisian’ny Covid-19 ny tontolon’ny zavakanto sy ny asa fanaovangazety.
Nanaraotra nitsidika ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Minisitra tompon’andraikitra, nandritra ny fandalovany tao Mahajanga. Fotoana izay nitondrany fanampiana tamin’ny alalan’ny “vatsy tsinjo” ho an’ireo mpanao gazety avy amin’ny distrika manodidina mandrafitra ny faritra Boeny sy mpanakanto any an-toerana. Ahitana vary, voamaina, menaka, sira sy siramamy, arotava, ary ny CVO no tao anatin’ity tohana ara-tsosialy ity. Nitsotra ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo, nandritra ny fandraisam-pitenenany, fa raha nisy sehatra tsy adinon’ny Filoha Andry Rajoelina indrindra dia ny artista sy ny mpanao gazety. Ny ezaka rehetra atao amin’izao fotoana izao no manamarina izany, hoy izy. Notsiandriany fa sambany no voajery manokana ny mpanakanto sy ny mpanao gazety, nandritra izay fitondrana nifandimby izay. Hatramin’izay, rehefa misotro ronono ny artista dia tsy misy mahatsiaro intsony. Mba hisorohana izany no hametrahan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny satan’ny mpanankanto. Araka izany, sambany hisy fitondram-panjakana hametraka fiahiana ara-tsosialy ho an’ny artista. Eo koa ny fametrahana ny artista amin’ny toerana tokony hisy azy rehefa misotro ronono. Hatramin’izay raha sanatria tojo tsy fahasalamana ny mpanankanto dia manao ireny karazana tolo-tanana ireny. Tsy dia maro anefa indraindray no mamaly ireny antso ireny ka miteraka fahasahiranana ireo mpanankanto anatin’ny aretina. Ankehitriny, efa voafehin’ny satan’ny mpanankanto matihanina avokoa ny karazana fiahiana ara-tsosialy rehefa mifandraika amin’izany. Homena koa ny sata maha matihanina.
“Minisitra mpiahy tokoa”
Tetsy ankilany, velom-pisaorana ny Fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, na ny solontena nandray fitenenana avy amin’ny artista, na ny avy amin’ny mpanao gazety. Notsindrian’ny filoha lefitry ny Holafitry ny mpanao gazety avy amin’ny faritanin’I Mahajanga fa efa ela no niandrasan’izy ireo ity fanampiana ity. “Tsapanay fa manana minisitra mpiahy tokoa izahay”, hoy izy. Nilaza ny minisitra fa tsy izao tohana ara-tsosialy izao ihany no fanohanana ny mpanao gazety efa nataon’ny minisitera tarihiny, fa nanomboka tamin’ny fametrahana ny lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery mihitsy. Ity lalàna ity izay tsy vitan’ny manome fahafahana betsaka ho an’ny mpanao gazety fotsiny ihany, fa misy endrika fanohanana amin’ny lafiny maro koa. Ny lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery izay efa lany sy manankery ankehitriny.




