Songadim-baovaoSosialy

TOHANA FAMORONAN’ASA HO ANA TANORA 5 000 ISAM-PARITANY: Hatomboka any Toamasina ny fandaharanasa “Tanora Miandrandra ny Ho avy”

Eo Am-pamolavolana ny taha mahakasika ny tsy fananan’asa eto Madagasikara ireo tompon’andraikitra misahana izany ankehitriny saingy raha ny antontanisa farany dia manodidina ny 6% eo io taha io. Ireo misehatra amin’ny asa tsy manara-drafitra sy tsy zarizary kosa anefa no tena maro an’isa eto Madagasikara izay mahatratra 90% ny taha. Misy hifandraisany amin’ny zava-misy manerana an’izao tontolo izao ireo odidina mahakasika ny sehatry ny asa eto Madagasikara ireo. Ohatra amin’izany ny fandalovan’ny Covid-19, ny ady any amin’ireo firenena tandrefana izay samy misy fiantraikany amin’ny sehatra marolafy eto Madagasikara, anisan’izany ny famoronan’asa.
Manoloana izay zava-misy izay, tsy miraviravy tanana ny Fitondram-panjakana amin’ny fanohanana sy famporisihana hatrany ny tanora hiatrika ny zava-misy. Isan’ireo tetikasa faramparany notanterahan’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), ohatra, ny fampiofanana tanora miisa 80 niarahany tamin’ny OIF ka ny 11 tamin’ireo no niroso avy hatrany tamin’ny famoronan’asa, nahazo fampitaovana sy vatsy. Ankoatra io, manana tetikasa fampiofanana lavitr’ezaka sy fohy ezaka ihany koa ny MJS mba hanampiana ny tanora eo amin’ny lafiny famoronan’asa. Misy ny tetikasa iarahana amin’ireo mpiara-miombona antoka toy ny OIF, UNFPA, Unicef sy ny PNUD ka aorian’ny fampiofanana dia vatsiana fitaovana avy hatrany ny mpiofana mba hahafahan’izy ireo tonga dia miasa. Misy kosa ny tetikasa iarahana amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa izay natao hanampiana ireo vondrona sy fikambanana, mifototra amin’ny famoronan’asa tonga dia azo ampiharina avy hatrany.

Ankilany, mbola zava-misy eto amintsika ihany koa ny hoe maro amin’ireo tanora no miandrandra ireny fifaninana fidirana ho mpiasam-panjakana ireny na dia efa vitsivitsy aza ny toerana amin’izany. Tsy maharaka ny filàna arak’asa koa ny eny amin’ny sehatra tsy miankina. Eo indrindra no mahatonga ny Fitondram-panjakana mampiroborobo ny famoronan’asa. “Tsy tokony ho kivy raha tsy misy ny fandraisana mpiasam-panjakana na ihany koa hoe mikatso ny any amin’ny sehatra tsy miankina fa mampirisika ireo tanora hatrany mba handeha any amin’ny famoronan’asa…”, hoy ny fanazavan’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Marson Moustapha Abdulah.
Ho fampiharana izany indrindra, hamafisina hatrany ankehitriny ny fampiharana ny fandaharanasa “Tanora Miandrandra ny Ho avy”. Fandaharanasan’ny MJS natao hanampiana ireo tanora malagasy, hahafahan’izy ireo mahazo fahaleovantena tanteraka eo amin’io sehatry ny asa io. Hahazoan’izy ireo mitantana ny hoaviny sy mampandroso ny firenena. Araka izany, tanjon’ny fandaharanasa “Tanora Miandrandra ny Ho avy” ny hampirisihana hatrany ny tanora hanana vina ho tia mamorona asa, hanana toe-tsaina maha mpandraharaha sy ho sahy hanatanteraka ny vina efa nokasainy. Hevi-dehibe havoitra ao anatin’ny fandaharanasa ny fanomezan-danja sy fahatokisana mba hampisondrotra ny tanora malagasy. Ho fanatanterahana ireo rehetra ireo, hisy ny fampiofanana tanora maro manerana ny faritany 6 eto Madagasikara. Toamasina no hanaingana voalohany ny fandaharanasa amin’ny 21, 22 sy 23 febroary ho avy izao. Kendrana ho tanora 1 000 hatramin’ny 2 000 isam-paritra no hahazo fiofanana aty am-boalohany saingy tanjona ny hanitarana izany ho tanora 5 000 isam-paritra.
Tafiditra ao anatin’ny fampiharana hatrany ny politika ankapoben’ny Fanjakana moa ny fanatanterahana io fandaharanasa io, hoy ny Minisitra. Mbola nohazavainy ihany koa fa hahafahana sahady misantatra ny fihomanana amin’ny fandraisantsika eto Madagasikara ny fihaonamben’ny tanora aty Afrika amin’ny volana novambra io hetsika io. Ireo tanora voahofana dia ho lasa ambasadaorin’ny Ministera sy ny Fitondram-panjakana. Hitondra feo izy ireo rehefa tonga ny fihaonambe.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer