PolitikaSongadim-baovao

TOJO RAVALOMANANA: Tsy manana vina, tsy sahy miatrika adihevitra

Voamarina tao anatin’izay andro maromaro nanombohan’ny fampielezan-kevitra izay fa tsy mahay na dia ny mandaha-teny fotsiny ihany aza ilay kandidàn’ny TIM, Tojo Ravalomanana, izay mihambo hitantana ny tanànan’Antananarivo. Ankehitriny, tsy handray anjara amin’ny adihevitra ifanatrehan’ireo kandidà indray ny tenany, noho ny tsy fananana vina sy hevitra entina hitondrana ny tanàna.

“Tahaka ny ratsy tarehy mangata-bady ka ny anaran-dray no enti-mangataka”, hoy ny ohabolan’ny Ntaolo. Tanteraka izany ankehitriny amin’ny fomba fanao politikan’ny Antoko TIM. Rehefa tsy nahafeno fepetra tamin’ny firotsahan-kofidiana tokoa mantsy ingahy Ravalomanana Marc, dia tsy nisalasala mihitsy izy nanolotra ny zanany lahy, Tojo Ravalomanana mba hisolo azy amin’izany fifidianana Ben’ny tanàna izany.
Mazava ho azy, olona tsy manana vina, tsy niomana hitantana ny tanàna, tsy manana hevitra, ary tsy mbola nisehatra akory teo amin’ny lafiny politika, raha i Tojo Ravalomanana no asian-teny. Manaporofo izany ny tsy fanekeny ny fanasan’ny FES, sy ny CUA ary ny YLTP, amin’ny adihevitra izay atao anio, iarahana amin’ireo Kandidà rehetra eto Antananarivo Renivohitra. Toy izany mihitsy no nataon’ny Reniny, Ramatoa Lalao Ravalomanana, tamin’ny taona 2015 rehefa nirotsa-kofidiana izy. Raha tsiahivina, tsy nety nandray anjara tamin’ny adihevitra toy izao ihany koa i Lalao Ravalomanana. Tonga teo amin’ny fitantanana ihany anefa izy na teo aza izany. Saingy, faharavana sy fahapotehan’ny tanàna no navelany nandritra ny fitantanany, satria tsy nanana vina ary tsy niomana ny hitondra ny Renivohitra. Anisan’ny nampitaraina ny mponin’Antananarivo tamin’ny fotoam-pitantanany ny nanomezany alalana ny fananganana ireo “boxe” fivarotana nanerana ireo sisin’arabe izay nampirongatra tanteraka ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna teto an-drenivohitra. Nanampy trotraka izany ny tsy fangaraharana tamin’ny fitantanana ny Kaominina tamin’ny ankapobeny.
Hamerina ny hadisoana indray?
Mbola hiverina tamin’ny hadisoana tany amin’ny taona 2015 indray ve ny vahoakan’Antananarivo? Efa naverina ombieny ombieny fa tsy tsangan’olona no tokony hametrahana ny safidy fa programanasa. Raha ho an’i Tojo Ravalomanana manokana dia ny fialokalofana ao ambadiky ny Rainy, Marc Ravalomanana, no tena ianteherany. Izany hoe, ho saribakoly fotsiny ihany izy raha sanatria ka ho tonga eo amin’ny toerana. Ary efa hita taratra sahady izany na dia amin’izao fampielezan-kevitra izao aza.
Raha tsorina dia tsy fananan’olon-tokana ny tanànan’Antananarivo. Tsy fananana manokan’ny fianakaviana Ravalomanana ka hoe ho atao lova tsy mifindra ny fitantanana azy. Mendrika hisitraka fampandrosoana marina ny Renivohitra, ka any amin’ny olona manana vina sy programanasa maty paika no tokony hiantefan’ny safidy.
Raha ny fifanandrinana teo amin’ny TIM sy ny TGV no iverenana, dia efa resin’ny TGV indroa tamina fifidianana Ben’ny tanàna teto Antananarivo ny TIM, tamin’ny 2007 sy tamin’ny 2019. Azo inoana, araka izany, fa ity fifidianana 2024 ity no faharesena faha-3 ho azy ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer