PolitikaSongadim-baovao
TOLIARA : Miverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina taorian’ny savorovoro
Taorian’ireny savorovoro nisy tao an-drenivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana, noho ny hetsika tsy nahazoana alalana ireny, dia niverina amin’ny laoniny ny fiainam-bahoaka ao Toliara, nanomboka ny afakomaly lasa teo. Miverina amin’ny fiainana andavanandro ny mponina, ary efa nilamina avokoa ireo toerana somary nafana, tahaka ny tao Anketraka, Antaninarenina, Tsongobory ary Andaboy. Mitohy hatrany ny fisafoana tanterahin’ireo Hery fiarovana sy filaminana, indrindra ny hariva, izay tena matetika isehoan’ny karazana hetsika sy fanakorontanana. Ankoatra izay, tonga nijery ifotony ny zava-misy any an-toerana ny Jeneraly komandin’ny zandarimariam-pirenena omaly. Nijery ny paikady rehetra izy, miaraka amin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga eo anivon’ny fitandroana ny filaminana, handaminana sy hamehezana ny toe-draharaha misy, mba hiarovana ny vahoaka sy ny fananany manoloana izao savorovoro misy ao amin’ny renivohi-paritra Atsimo andrefana izao.
Namory ireo mpiantsehatra amin’ny fitandroana ny filaminana rehetra aty an-toerana koa izy, izay ahitana ny Zandary, polisy ary ny Tafika, nampita ny fankasitrahana avy amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny ezaka efa vita, nitazomana ny filaminam-bahoaka. Nankahery koa izy, amin’izay asa mbola miandry ireo Hery fiarovana sy filaminana ireo. Nanafatrafatra koa ny tenany amin’ny fitondran-tena mandritra ny fanatanterahana ny asa satria ny mpitandro filaminana dia miaro ny vahoaka sy ny fananany. Raha tsiahivina, ny alahady lasa teo, tao anatin’ny andro maizina, no nisiana fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo mpanao fihetsiketsehana. Voalaza fa nisy andian’ olona nikasa hanafika ny tobin’ ny Zandary, saingy tsy tanteraka izany noho ny fandraisana andraikitra. Nahatratra 14 no voasambotra tamin’ izy ireo, ankoatra ireo mpigrevy efatra nosamborina. Efa navotsotra moa izy ireo, saingy nisy efatra mbola natao fanadihadiana. Tiana ny manamarika fa nisy roa ireo naratra tao anatin’ireo Hery fiarovana sy filaminana ireo.
Pierre M.




