PolitikaSongadim-baovaoSosialy

TOLO-DALANA MOMBA NY FANALAN-JAZA : Adihevitra mafana eny amin’ny Antenimieram-pirenena

Sarintsariny fotsiny ihany ny hoe ho fiarovana ny mpitsabo sy ny renim-pianakaviana ny tolo-dalàna izay hanome alalana ny fanalana zaza noho ny antony ara-pahasalamana, hoy ny Depiote Anyah omaly, fa tsy ho voafehy intsony izany fomba fanao izany raha toa ka tafapetraka eto amintsika io lalàna vaovao io. Na inona na inona mety ho antony, hoy izy, dia tsy azo ekena ny fanalana zaza. Mafana, araka izany, ny adihevitra momba ity tolo-dalàna ity eny amin’ny Antenimieram-pirenena, mandritra izao fivoriana ara-potoana faharoa izao.

Nisy ny tolo-dalàna momba ny fanalana zaza ao am-bohoka noho ny antony ara-pahasalamana na « Interruption Thérapeutique de la Grossesse » napetraky ny Solombavambahoaka Masy Goulamaly voafidy tao Tsihombe tao amin’ny Antenimieram-pirenena, mandritra izao fivoriana ara-potoana izao. Araka ny fanazavana, ity tolo-dalàna ity dia natao mba ahafahan’ireo mpitsabo manatanteraka ny andraikiny anatin’ny ara-dalàna sy ahafahan’ireo renim-pianakaviana miaro ny ainy. “Raha misy mpitsabo te hanavotra vehivavy iray ka manatontosa ITG, izay voararan’ny lalàna, dia azo toriana sy mety higadra. Kanefa raha ohatra ka tsy manao an’io koa izy dia mety azo toriana ihany koa satria namela olona mety azo navotana ho faty”, hoy ny fanazavana. Napetraka noho izany ity tolo-dalàna ity mba ho fiarovana ilay Reny, raha toa ka tratran’ny tsy fahasalamana izy, raha toa koa vohoka azo avy amin’ny fanolanana, na ihany koa tsy dia salama saina ilay reny, na ihany koa misy fahasembanana ilay zaza na aretina mianjady aminy, ary ho fiarovana ny mpitsabo tsy maintsy manapa-kevitra ho fampitsaharana vohoka.

Naneho ny heviny ny Depiote Anyah.

Omaly, nitondra ny fanehoan-keviny ny Depiote voafidy tao amin’ny boriborintany fahatelo, sady Mpampakatenin’ny Antenimieram-pirenena, Aina Rafenomanantsoa na ny Depiote Anyah. Nolazainy fa ity tolo-dalàna momban’ny ITG ity dia varavarana misokatra ho amin’ny fampiroboroboana ny fanalan-jaza. “Ny 95% ny fanalan-jaza dia atao noho ny fangatahin’ny vehivavy tsy maniry ilay zaza tsotra izao, ary 5% isan-jato dia noho ny herisetra na antony ara-pahasalamana”, hoy ny fanambarana. Ekena, hoy izy, fa manana zo ny amin’ny tenany ny olombelona tsirairay, fa ny zaza ao an-kibo ve anisan’ny tenany? Manana fahefana ny « hanakana ny aina » na « privation de la vie d’autrui » ve ny olona?. Notsindriany fa zo fototra ny fahafaha-miaina na ny « droit à la vie » ary ny zaza vao mitsaika ao an-kibo dia misy fo mitempo, misy ADN izay mitondra ny mombamomba azy rehetra, ary olona hanana ny hoaviny.

Misy foana ny vahaolana ankoatran’ny fanalan-jaza

Nambarany fa raha lazaina fa vesatra ho an’ny reny izay tsy maniry ny zaza ilay zaza, dia tokony ho nisy ny fandrindram-piterahana nataony hisorohana izany. Ho an’ireo vohoka azo noho ny herisetra kosa indray dia niaiky ity Solombavambahoaka ity fa mafy tokoa ho an’ny vehivavy ny mizaka ny herisetra na ara-batana na ara-tsaina, fa saingy izany dia tsy misy tsiny ho an’ilay zaza mihitsy satria tsy nisy ratsy nataony. Fotoana izay nanambarany ny tokony hanamafisana ny lalàna manenjika ireo mpanolana sy mpanao herisetra.  Nambarany fa misy vahaolana hafa ny fanasitranana ny ratra na ara-batana na ara-tsaina fa tsy voatery miditra amin’ny famonoana ny zaza ao an-kibo. Betsaka koa, hoy izy, no mila ny zaza raha ohatra ka tsy vitan’ilay reny no mitaiza azy. Raha antony ara-pahasalamana kosa, nilaza ny tenany fa misy fiantraikany ara-batana sy ara-tsaina foana ny fanalan-jaza, ary efa voaporofo tamin’ny fanadihadiana maro izany. Mety ho azo ekena, hoy izy, raha tena hoe antony ara-pahasalamana tokoa, kanefa sarotra ny anamarinana sy andrefesana izany na tsy maintsy esorina tokoa ilay zaza na tsia.

Nilaza, noho izany, ity Depiote ity fa tsy maintsy hisy ny fanentanana ny amin’ny tsy fampandaniana ity tolo-dalàna ity eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, amin’ny fotoana handinihana izany.

Tetsy ankilany, nilaza ny tokony hisian’ny adihevitra mialohan’ny handraisana fanapahan-kevitra ny Solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa. Notsindriany fa tokony halaina avokoa ny hevitry ny mpisehatra rehetra, mba hisorohana ny mety ho fikorontanana aorian’ny fandraisana fanapahan-kevitra.

Fermer