PolitikaSongadim-baovao
TOLO-DALANA MOMBA NY TOAKA GASY: Lany nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona
Lany nasiam-panitsiana ary nankatoavin’ireo Loholon’i Madagasikara nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehana notanterahana teny amin’ny Lapan’Anosikely omaly alarobia 19 jona 2025, ny tolo-dalàna laharana faha 001/2025 mikasika ny famokarana sy fiarovana toaka gasy eto Madagasikara, izay natolotr’Andriamatoa Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges, Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany amin’ny Distrikan’Ambositra.
Nambaran’ny Solombavambahoaka, mpanolotra ny tolo-dalàna fa mitàna anjara toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina malagasy ny toaka gasy. Ankoatra izay dia efa tafiditra ao anatin’ny seha-pihariana ho an’ny tantsaha, hoy izy, ny famokarana toaka gasy, ka hampitombo ny kitapom-bolan’ireo Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana amin’ny alalan’ny tamberim-bidy sy ny hetra ho alaina.
Isan’ny zava-baovao amin’ity Tolo-dalàna ity ny fisian’ireo fepetra hahafahana mivarotra toaka gasy eny amin’ny tsena sy ny fisian’ny sazy mifandraika amin’ny tsy fanarahana izany, ka misy ireo rafitra mahefa handrindra sy hampihatra izany dia ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Indostria, ny Minisiteran’ny Fahasalamambahoaka, ny Minisiteran’ny Atitany ary ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovainjafy.
Ho an’ny omaly manokana dia nafana ny adihevitra teny amin’ny Lapan’Anosikely, ary ireo fenitra ara-pahasalamana tena notsindrian’ireo Loholon’i Madagasikara. Eo ihany koa ireo fepetra tokony hampiharina amin’ny famarotana ny toaka gasy. Nitarika ny fivoriana moa ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Noho ny fanitsiana nentin’ireo Loholona dia tsy maintsy hiverina eny amin’ny Antenimieram-pirenena indray, araka izany, ity tolo-dalàna ity handalo fandaniana indray.
Nangonin’i LR.




