PolitikaSongadim-baovao

TOLO-KEVITRY NY CENI: Ny 09 Novambra 2023 ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana

Efa any anivon’ny Governemanta ny volavolana tetiandrom-pifidianana nataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), ary mbola nakana ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ihany koa. Mivoitra ao anatin’izany fa ny 09 novambra izao no kasaina hatao ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, raha toa ka ny 20 desambra 2023 ny fihodinana faharoa.

Ny andron’ny alakamisy 09 Novambra 2023 no tolo-kevitra nataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Amin’ny 20 desambra 2023 kosa no kasaina hanaovana ny fihodinana faharoa. Raha ny fanazavan’ny Filohan’ny Ceni, Dama Arsène andrianarisedo, dia daty voalanjalanja mba hahafahan’ny olom-pirenena rehetra mandray anjara sy hitsinjovana ny mpirotsaka hofidina ireo daty ireo. Daty hahafahan’ny rehetra mivezivezy ireo natolotra ireo, araka ny fanazavana, ary nezahana mba tsy ao anaty vanim-potoana mety hisian’ny rivodoza. Toy izany ihany koa ny fialana tamin’ireo daty mety hifanandrify amin’ny fety, toy ny Noely sy ny faran’ny taona.

Raha hiverenana anefa ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-47, dia tsy maintsy ho eo anelanelan’ny 19 Novambra sy ny 19 Desambra 2023 no hanaovana izany fifidianana izany. Marihina mantsy fa ny 19 Janoary 2024 no mifarana tanteraka ny fe-potoam-piasan’ny Filohan’ny Repoblika am-perinasa ankehitriny, ka tokony ho roa volana mialohan’io, farafahabetsany, ary iray volana mialohan’io, farafahakeliny no hanatanterahana indray ny fifidianana ho Filoha hitondra ho an’ny dimy taona manaraka, araka ny voafaritry ny lalàna hatrany. Raha io tetiandro natolotry ny Ceni io anefa, dia lasa niroso folo andro mialohan’ilay 19 novambra voafaritry ny lalàna ny hanaovana ny fifidianana. Tsy maintsy naka ny hevitry ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana, araka izany, ny Ceni raha azo atao ny mihazona io daty io na tsia. Ankoatra izay, mbola andrasana koa ny Didim-panjakana raisina eo Filankevitry ny Governemanta izay mampanankery izany, raha toa ka nahazo fankatoavana.

Mitohy ny fanisana mpifidy

Nampahafantarin’ny Ceni omaly ihany koa ny firoson’ny asa fanisana mpifidy izay tontosaina ankehitriny, ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Nivoitra tao anatin’izany fa olom-pirenena 9 906 702 manerana ny Nosy no efa tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy hatramin’izao, izay manome ny salanisa 72,88%-n’ny tanjona napetraka. Tsiahivina fa manodidina ny 13 500 000 ireo mpifidy kendrena ho voasoratra anaty lisitra amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao. Araka ny tarehimarika voaray omaly, ny faritanin’i Mahajanga no manana salanisa ambony indrindra amin’ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, 78,48%. Manaraka azy kosa i Toliara 76,86%, Antsiranana 76,13%, Fianaranantsoa 75,50%, Toamasina 73,82%, ary Antananarivo 66,77%. Nambaran’ny Filohan’ny Ceni, Dama Arsène Andrianarisedo, fa mbola manana hatramin’ny 31 may 2023 ny olom-pirenena tsirairay hisoratana anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Raha tsiahivina ny tetiandro napetraky ny CENI, ny 01 oktobra hatramin’ny 31 janoary ny fitetezana isan-tokantrano. Mbola mitohy kosa ny fahafahana manatona fokontany, taorian’ny fiafaran’ny fitetezan’ny mpanisa isan-tokantrano. Ny 02 martsa 2023 no voatondro hanaovana ny famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy. Ampitaina sy apetraka eny anivon’ny fokontany ny lisitra vonjimaika ny 03 martsa hatramin’ny 22 martsa 2023. Raisina ny fitarainana sy fanamarihan’ny olom-pirenena sy mpisehatra rehetra ny 03 martsa hatramin’ny 11 aprily. Ny 07 jona 2023 hatramin’ny 09 jona no hamaranana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, ary ny 10 jona 2023 ny famaranana tanteraka ny rejisi-pifidianana nasionaly, araka ny fanazavana hatrany.

Fermer