Songadim-baovaoSosialy
TOLO-TANANA HO AN’I IREINNA : Nitondra ny anjara fanampiany ny Loholona Rakotondrazafy Lalatiana
Zazavavy kely 4 taona sy tapany i Ireinna. Marary mila fandidiana maika izy. Araka fanazavana, dia misy lavaka ao anatin’ny fony, ka lasa mifangaro ny ra madio sy ny ra maloto, hany ka miteraka aretina lava ho azy. Araka ny fanazavan’ny fianakaviana dia noraisin’ny Fikambanana « Chaine de l’espoir » an-tanana ny fitadiavana lalana hitsaboana azy. Efa misy hopitaly vonona handray azy any Frantsa, fa saingy ny fitiliana rehetra mialohan’ny fandidiana izay mila atao eto Madagasikara, ary ilainy alohan’ny fiaingany, dia mbola nilainy fanampiana fa tena sahirana izy mianakavy kely ka tsy misy raisina. Ny rain’ny zaza ihany no miasa fa ny reniny voatery nijanona tsy niasa mitaiza azy. Mbola manana zanaka 1 hafa mianatra koa anefa izy mivady.
“Ny voin-kava-mahatratra ka dia noraisiko an-tanana ny fitiliana rehetra (analyses isan-karazany, échographie du coeur, ECG, fitsaboana nify sns…) mbola mila ataon’i Ireinna mba hanafaingana ny fahafahany mandeha mitsabo any ivelany. Raha tsy vita mantsy ireo tsy afaka miroso amin’ny fandefasana azy ny Fikambanana « Chaîne de l’espoir ». Izay isaorako feno etoana”, hoy ny fanazavan’ny Loholona Rakotondrazafy Lalatiana.
Mbola nohamafisiny fa “Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy ! Entina am-bavaka mba ho lasa soamantsara faran’izay haingana i Ireinna kely satria raha dila kely ny fotoana mbola ahafahana mandidy azy dia tsy hisy na inona na inona ho azo atao intsony”.




