Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
“TOMBOLA” NOKARAKARAINA SINOA TAO MANAKARA: Niteraka korontana ilay tapakila voalaza fa mahazo 50 tapitrisa Ar
Nisy orinasa Sinoa iray nikarakara « tombola » tao Bazary be Tanambao Manakara, ary ny sabotsy lasa teo no natao ny fisarihana. Loka lelavola mitentina 50 tapitrisa Ariary no goavana indrindra tamin’izany. Lehilahy iray no voalaza fa nahazo izany, ary nitondra ny tapakila teo anatrehan’ny mpikarakara, saingy nolavin’ireto farany izany, satria voalaza fa hosoka ilay tapakila. Raikitra teo ny fifamalian’ny roa tonta, ary niafara tamin’ny fahatrarana olon-tsotra sy mpitandro filaminana.
Nitrangana korontana tao an-drenivohitry ny Kaominina Manakara, ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 9 ora maraina. Araka ny fanazavana, nisy kilalao tombola, tamin’ny alalan’ny karatra kikisana, izay nokarakaraina teratany sinoa anankiray, izay novarotana teo akaikikaikin’ny Tobin-tsolika Jovena, eo anilan’ny bazary, ao an-drenivohitr’i Manakara. Ny antony savorovoro, dia ny fisian’ny olona nahazo vola 10 tapitrisa ariary tamin’io lalao io, nefa nolazain’ilay teratany sinoa fa sandoka. Raikitra, noho izany, ny sakoroka ka nitangorona marobe ny vahoaka tezitra dia tezitra. Nanomboka teo ny fandrobana sy fitoraham-bato tsy nifankahitana. Nahazo filazana maika avy hatrany ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovana Fitovinagny, ka nidina teny an-toerana, mba handrava sy hampilamina ny toe-draharaha. Zandary 20 avy hatrany no nidina teny an-toerana, izay nobaikon’ny Kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana. Polisy eo amin’ny 15 eo ho eo sy miaramila 20 koa no nifandrimbona namerina ny filaminam-bahoaka. Naharitra adiny iray sy sasany ny fangoronana ny entana sy ny tora-bato niseho tao an-drenivohitr’i Manakara. Zandary roa no naratra ka ao anatin’izany ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovana Fitovinagny, izay nioritra ny tanany havanana, nandritra ny fodiana. Zandary iray hafa kosa, no naratra mafy eo amin’ny lohany noho ny tora-bato.
Hamafisina ny fiambenana
Efa nahazo fitsaboana ilay zandary ka tsy misy atahorana ny ainy. Niverina tamin’ny laoniny, ny filaminam-bahoaka, tamin’ny 11 ora antoandro. Nentina notazonina sy ambenana any amin’ny Tobin’ny polisy ilay Sinoa sy ny entana. Samy miatrana miambina ny tobiny ny mpitandro filaminana rehetra, amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay, ambenan’ny miaramila kosa, ny tobin-tsolika. Raha ny avy any amin’ny vahoaka kosa, dia fantatra fa sivily roa vehivavy sy zazakely iray no naratra. Mangataka fitaovana izay fampiasa amin’ny fiatrehana korontana tahaka izao, noho izany, ny Kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Fitovinagny, toy ny (casque, bouclier, matraque, recompletement munition), mba hiarovana ny ain’ireo zandary mandritra ny tranga tahaka itony. Tsapa tokoa, fa mafana hatrany ny fifandonana rehefa misy trangan-javatra toa itony.




