PolitikaSongadim-baovao
TOMPONANDRAIKITRA SY OLOM-PANJAKANA AMBONY : « Esory, soloy izay tsy mahavita », hoy ny Filohan’ny Antoko Freedom
Notontosaina ny sabotsy teo, teny amin’ny CCI Ivato, ny fanombohana ny taom-pikatrohana taona 2025 ho an’ny Antoko Freedom. Fotoana izay nanaovan’ny Filoha nasionalin’ny Antoko, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, fanehoan-kevitra manoloana ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.
Mbola nanamafy ny fanohanana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina indray ny Antoko Freedom, ny sabotsy teo, nandritra ny fanombohana ny taom-pikatrohana taona 2025 teny Ivato. Nambaran’ny Filoha nasionalin’ny Antoko Freedom, sady Loholon’i Madagasikara, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, fa mbola maro ireo manohana ny Filohan’ny Repoblika, ary porofon’izany ireo mpikamban’ny Freedom manerana ny Nosy, izay nambarany fa “base réelle” na fototra ara-politika tena misy, azo ianteherana.
Tao anatin’izany indrindra no nanaovany antso avo fa ny Freedom dia tsy fahavalon’ireo izay milaza fa manohana ny Fitondram-panjakana velively. “Ka manao antso avo mba tsy ny ao anatiny indray no hanenjika an’ireo mpikambana ao aminay, indrindra ireo ben’ny tanana miara-dia aminay. Ny Antoko Freedom aza mbola sahy sy mahavita lavitra amin’ny fijoroana fiarovana ny Filoham-pirenena sy ny Fanjakana mijoro noho ireo tompon’andraikitra olom-boafidy na olom-boatendry sasantsasany milaza fa manohana ny Fitondrana nefa manao antsojay sy manenjika ny ben’ny tananay sasany sy ny mpikambana ao aminay”, hoy ny fanambarana nataony.
Hafainganam-pandehan’ny Filoha
Ny hafatra napetraky ny Antoko Freedom ny sabotsy teo ihany koa ny hoe “raha hihazakazaka ny liona ka tiany ho tonga haingana miaraka aminy ny ekipany dia tsy ho sokatra na sifotra mihitsy no entiny miara-mihazakazaka aminy, fa tsy maintsy liona hafa na izay karazana biby maharaka ny hafainganam-pandehany. Dia mitovy amin’izay ihany koa, tsy sanatria mampitaha ny tompon’andraikitra samihafa amin’ny biby akory, fa fotsiny hoe izay maharaka ny hafainganam-pandehan’ny Filoha no tokony iarahany mihazakazaka”. “Esory, soloy izay tsy mahavita”, hoy ny nambaran-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy. Tsy voatery ny mpikambana amin’ny governementa izany fa rehefa olom-boatendry na iza izy na iza ka voatendry tao anatin’ny filankevitry ny minisitra, hoy izy. Efa sady tsy mahavita azy no mbola tsy manohana sy sahy miaro ny fitondram-panjakana nanendry azy akory, aleo esorina rehefa tsy mitondra « valeur ajoutée » ho an’ny Fitondram-panjakana sy ny vahoaka, hoy hatrany ny fanazavana.
Notsindriany fa tsy voatery ho fikitihana governemanta no setrin’izany antso izany. “Tsy mitady toerana minisitra velively akory raha miteny an’izany, tsy manohitra koa fa fitiavana ny Filohan’ny Repoblika ka tsy ijerena arina an-tava, satria fantatro, fantatray loatra ny fitiavan-tanindrazana ao aminy sy ny finiavany te hampivoatra ity firenena ity fa misy amin’ireo mpiara-miasa sy manodidina azy nomena andraikitra kanefa tsy mitovy tanjona aminy sady tsy miray fo aminy rahateo ka manimba zavatra fotsiny”, hoy ny fanambarana.
Tagnamaro
Nasian’ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom resaka ihany koa ny mahakasika ny fanaovana Tagnamaro satria efa voaporofo izao fa mety ary azo ampiharina tsara ho vahaolana amin’ny fanatsarana ny tanàna sy ny firenena ny Tagnamaro. Tokony hotohizana ary atao isam-bolana raha tena te hanova marina isika, na toetsaina na fifampitaizana na fahadiovana na fanatsarana ny fananana iombonana. 6 taona taorian’ny namoronana azy ity dia izao vao tafita ny hafatra, koa alao hery fa ny tanana maro be mitambatra mahavita zavatra ho lova ho an’ny taranaka, hoy ny fanazavana.
Fitsinjaram-pahefana
Tamin’ny fotoana ny sabotsy teo koa no niantson-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy ny mba tokony ijerena ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eny ifotony, indrindra moa ny kaominina fa mbola maro be amin’izy ireny no tany lavitra andriana ka mahatsiaro kamboty amin’ny asa fampandrosoana.
Tsara ary tena ankasitrahan’ny Antoko Freedom ny tetikasa goavana atao eto an-drenivohitra tahaka ny teleferika, ny Lac Iarivo, ny fotodrafitrasa goavana maro be isan-karazany, fa mba tsy hitanila ny fivoarana dia iangaviana tsy ho adino koa ny kaominina hafa rehetra mba ho tanteraka tokoa ilay fitenin’Atoa Filoha hoe tsy misy kaominina adino. Ny « ristourne » sy ny hetra-trano sy ny hetra-tany na ny tataon-ketra alain’ny JIRAMA ohatra mba avereno any amin’ny kaominina izay tokony ho anjarany mba hisitrahan’ny vahoaka ny asa sahaza ho azy. “Ampitomboy ny « subventions » araka izay azo atao, tohano ireo ben’ny tanana ary atsaharo izay fanenjehana miendrika politika atao amin’ny sasany amin’izy ireo fa aleo ny fampandrosoana eny ifotony eny no imasoantsika”, hoy ny hafany.
Miaina ny Antoko Freedom
Velona sy miaina ny Antoko Freedom, nandalo fotoan-tsarotra ihany koa, saingy fomban’ny fanaovana politika izany ary eo no ahitana ny tena namana sy ny mamadika, ny sakaizan’ny mpandresy sy vonona hiady hiaraka aminao, ary indrindra nahafahana nanavaka ny vary sy ny tsiparifary. Nefa kosa tsy maintsy tafarina foana satria fotokevitra no ijoroana, fandresen-dahatra no mibaiko ary tsy poakaty koa ny ideolojia mampihetsika. Mbola hisy foana ny Antoko ary mbola hiady ho an’ny rariny sy hitsiny ara-tsosialy foana, hanohitra fanaparam-pahefana sy kolikoly amin’ny endriny rehetra foana, hoy ny fanazavana.
Nangonin’i LR.




