PolitikaSongadim-baovao

TOMPONANDRAIKITRA SY OLOM-PANJAKANA AMBONY: “Tokony hesorina amin’ny andraikiny izay manao hadisoana”

Manoloana ireo raharaha mafana samihafa izay mahabe resaka eto amin’ny firenena tato anatin’ny andro maromaro izay, nitondra ny fomba fijeriny sy ny fanehoan-keviny ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy. “Izaho te hankahery ny Filohan’ny Repoblika, ny fahefana mpanatanteraka, ny Filan-kevitry ny Minisitra sy ny tompon’andraikitra rehetra hoe « na ambohitro na ambohitr’olona, rehefa vandana dia kary », hoy izy. Notsindriany fa raha misy manao ny tsy mety eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika dia esorina amin’ny andraikitra fa tsy tokony hasiana « état d’âme » mihitsy. “Tsy hoe akaiky ny Filoha dia ho arovana nefa efa manao ny tsy mety, raha mpitsara ohatra no manao ny tsy mety dia tokony andraisana fepetra, raha mpitandro ny filaminana no manao hadisoana dia tsy tokony andeferana mihitsy, na solombavambahoaka, na loholona na olom-boatendry na iza na iza dia tokony hahasahy hatrany manadio sy mandray andraikitra manala olona eo amin’ny andraikiny rehefa hita mazava kosa ny hadisoana arak’asa na heloka nataony”, hoy hatrany ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy.

Nambarany tao anatin’ny fanehoan-keviny fa tsy tokony hifampiaroaro toy ny hoe samy mpitsara ohatra dia mifampiaro na samy administrateur civil na samy miaramila na samy zandary dia mifampiaroaro foana raha misy ny tsy mety ataon’izy ireny dia lasa mitady « bouc émissaire » any an-kafa. Tokony ialana ny « corporatisme ». Lasa ilay fahefan’ny Fanjakana (autorité de l’Etat) no remise en cause ary mamparefo sy mampalemy ny Fanjakana raha tsy hisy sahy handray andraikitra izany mihitsy hoe hanala izay manao ny tsy mety, araka ny fanamafisana nataony.

« Izaho manokana efa tamin’ny volana Janoary no niteny hoe na mpikambana ao anaty governemanta aza na governora na « Hauts employés de l’Etat hafa » rehefa tsy maharaka ny hafainganam-pandehan’Atoa Filoha nefa sady tsy vonona hijoro hiaro azy sy ny Fitondram-panjakana nanendry azy akory dia tokony tsy ananana « état d’âme » fa isaorana madiodio e! », hoy izy.  Nofaranany tamin’ny hoe « Mampalemy ny fahefam-panjakana ny politikan’ny « Tsisy bedy » ny fanehoan-keviny.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer