Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
TOMPONDAKAN’I AFRIKA BASKET « 3X3 » : Notoloran’ny Filoha valisoa sy « primes » ny Ankoay lahy sy vavy
Noraisin’ny filoha Andry Rajoelina tetsy amin’ny lapan’Ambohitsorohitra ny ekipam-pirenena malagasy « Ankoay vavy » sy ny « Ankoay Lahy », izay nibata ny fandresena tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika taranja Basikety « FIBA 3×3 Africa cup 2024». Raha tsiahivina, tamin’ny isa 22 no ho 3 no nandresen’ny Ankoay lahy ny ekipan’i Rwanda ary ho an’ny Ankoay vavy kosa, dia lavon’izy ireo tamin’ny isa 20 no ho 15 ny Ejypta. Ireo ny vokatra azon’ny Malagasy, nanandratany avo ny voninahi-pirenena. Tao anatin’ny hafaliana, araka izany, no nandraisan’ny Filohan’ny Repoblika ireto Atleta nibata fandresena ireto sy ny mpanazatra azy ary ny Federasion’ny Baskety.
Tsy niarahaba fotsiny ny Filoha Andry Rajoelina fa nanolotra valisoa « prime de victoire » ho an’ny mpilalao, mpanazatra, sy ny ekipa teknika rehetra tao ambadik’izao fahombiazana izao. Ho an’ireo mpilalao kosa, notolorana mari-boninahitra izy ireo, satria mendrika ary nomena « avancement spéciale » ireo mpilalao polisy sy zandary (Ankoay). Ka noraisin’ny Filoha avy hatrany ny didim-panjakana na ny « décret » hanatanterahana ireo. Nilaza izy fa amin’ity herinandro ity ihany dia vitaina ilay fanolorana mari-boninahitra. Halefan’ny Filoha hiofana any amin’ny « centre de formation » any ivelany koa ireto mpilalao ireto, ho mariky ny fankasitrahana sy hampiakarana hatrany ny fahaiza-manaon’izy ireo.
Fandresena ho an’ny vahoaka malagasy
Nanamafy ny Filohan’ny Repoblika fa fandresena miezinezina ity azon’ny Ankoay ity. Manambatra ny Malagasy iray manontolo izao fandresena azonareo izao, hoy izy. Manakoako manerana ny kontinanta Afrikanina iray manontolo fa ny ekipa malagasy amin’ny « Basikety 3×3 » na sokajy lahy na vavy dia manana herim-po sy ny finiavana ary fahaiza-manao. Ity fandresena lehibe ity dia tsy fandresena ho an’ireo mpilalao ihany fa fandresena ho an’ny vahoaka malagasy sy ny firenena iray manontolo mihitsy. Miahy sy nitondra avo ny voninahi-pirenena ianareo ary maneho ny firaisam-po ho an’ny Malagasy rehetra, izay nanohana anareo hatramin’ny farany », hoy ny Filoha Andry Rajoelina.
Novalian’ny Filohan’ny Repoblika avy hatrany koa ny fangatahana nataon’ny Federasionina Malagasy misahana ny Basikety sy ny ekipam-pirenena Ankoay, mba hoentina hampandrosoana an’ity taranja Basikety ity. « Eto aho dia miteny fa ny Fitondram-panjakana dia hanohana anareo hatrany. Efa hita taratra ary tsapanareo ny fanohanako ny fanatanjahantena. Jereo ny kianja izay nataontsika. Ao ny « Gymnase » Toamasina izay tena tsara ho an’ny Malagasy, ary azo hanaovana fifaninanana iraisam-pirenena. Ho tokanana tsy ho ela koa ny « gymnase » any Mahajanga. Efa ela no tsy nisy an’izany « gymnase » izany teto amin’ny firenena », hoy izy.


