Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

TONGA NY AFON’NY LALAON’NY NOSY : Noraisina tamim-pifaliana tao Antsiranana, hitety ireo renivohi-paritany enina

Manamarika ny fampiantranoan’i Madagasikara ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11, afaka andro vitsy, ny fahatongavan’ny Afon’ny Lalaon’ny Nosy, ny sabotsy teo tao Antsiranana, rehefa nalain’ny Delegasiona malagasy, notarihin’ny Filohan’ny COJI tany amin’ny Nosy Maorisy, ny zoma lasa teo.

Tamim-kafanana sy tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisana ny Afon’ny Lalaon’ny Nosy tao Antsiranana ny sabotsy 12 aogositra 2023 teo. Diabe mamakivaky ny tanàna, niainga teny amin’ny seranam-piaramanidina Arrachart hatreny amin’ny kianja manarapenitra, toerana nanaovana ny lanonana no nanamarihana izany. Narahana afomanga sy fampisehoana nataona mpanakanto ny lanonana. Nanotrona sy nitarika ny fandrehetana ny Afon’ny Lalaon’ny Nosy tao amin’ny kianja manara-penitra Antsiranana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina niaraka tamin’ny atleta sangany, Sidonie Fiadanantsoa. Atleta malagasy 23 mianadahy no nandray anjara tamin’ny Fitondrana ny Afon’ny Lalaon’ny Nosy nandritra ny diabe. Anisan’izany i Sidonie Fiadanantsoa, izay atleta, nahazo medaly volamena nandritra ny Lalaon’ny Frankofonia tany RD Congo farany teo.

Tao Antsiranana, araka izany, no nanamarika ny fidiran’ity Afon’ny Lalaon’ny Nosy ity teto Madagasikara, taorian’ny famindrana izany ho an’ny delegasionina malagasy tany Maorisy mpampiantrano ny andiany faha 10 ny zoma 11 Aogositra. Tsara ho fantatra fa mbola hitety ny renivohi-paritany rehetra eto Madagasikara ity Afon’ny Lalaon’ny Nosy ity, mialoha ny hahatongavany eto Antananarivo. Ho an’ny andron’ny omaly dia i Mahajanga no nandalovany. Hihazo an’i Toliara kosa ny 18 Aogositra, ao Fianarantsoa ny 19 Aogositra, Toamasina ny 20 Aogositra, ary Antananarivo ny 23 Aogositra 2023.

Fermer