PolitikaSongadim-baovao

TONIA MPANATANTERAKY NY « CSI » : Voafidy handrafitra ny Filan-kevitry ny Vondrona Afrikana miady amin’ny Kolikoly (AU-ABC)

Rafitra iray ao anatin’ny Vondrona Afrikanina ny Filan-kevitry ny Vondrona Afrikana miady amin’ny Kolikoly (AU-ABC). Mpikambana 11 voafidy no mandrafitra azy, izay miasa mandritra ny 2 taona. Nandritra ny fihaonam-be faha-42 ny Filan-kevitra Mpanatanteraky ny Vondrona Afrikanina ny volana Febroary lasa teo no nahalany an’andriamatoa Tsiry Harivelo Razafimandimby, Tonia Mpanatanteraky ny komity Mitandro ny Fahitsiana (CSI), ho mpikambana vaovao ao amin’ny AU-ABC. Tontosaina any Arusha-Tanzania ny 25 ka hatramin’ny 29 aprily izao moa ny fivoriana faha-43 an’ny AU-ABC, ka ny 25 Aprily 2023 teo no nahatontosa ny fianianany i Tsiry Harivelo Razafimandimby.

Raha tsiahivina dia manana anjara andraikitra lehibe ny Filan-kevitry ny Fiombonam-be Afrikana miady amin’ny Kolikoly. Voalohany amin’izany ny fampiroboroboana sy fanosehana ny fampiharana ireo fepetra iadiana amin’ny kolikoly eto amin’ny kaontinanta Afrikana. Eo koa ny fanoroana hevitra ny Governemanta mahakasika ireo fomba iadiana amin’ny loza ateraky ny kolikoly sy ny fandikan-dalàna mitovitovy aminy eto amin’ny firenena. Io rafitra io koa no manao tatitra tsy tapaka mahakasika ireo dingana vita mifandraika amin’ny fampiharana ny fepetra voalazan’ny Fifanarahan’ny Vondrona Afrikanina momba ny Fisorohana ny Kolikoly amin’ny Filan-kevitra Mpanatanteraka ao amin’ny Vondrona Afrikanina.

Fermer