Songadim-baovaoToekarena
TONTOLO IAINANA ETO MADAGASIKARA : Hamafisina ny fahafaha-miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro
Efa tsapa sy iainana ankehitriny ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro. Ny tafio-drivotra mahery, ny hafanana mahery vaika, ny tsy fahampian-drano sy ny maro hafa. Drafitra maty paika no entina miatrika ny fiovan’ny toetrandro maneran-tany. Isan’ny manana izany drafitra izany i Madagasikara. Ampidirina anatin’ny drafi-pampandrosoana ny asa rehetra momba ny fampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetrandro, toy izany koa ny teti-bola mifandraika aminy.
“Isan’ireo firenena marefo isika manoloana ny fiovan’ny toetrandro. Mila jerena akaiky ny famatsiana rano izay iankinan’ny fiainan’ny olona anefa voakasiky ny fiovan’ny toetrandro voalohany”, hoy ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy . Ny rafitra rehetra mipetraka ka miantoka ny fanatanterahana ny PNA na Drafitra Fampifanarahana Nasiônaly (Plan National d’Adaptation) dia hamafisina hatrany, indrindra momba ny fahazoana ireo famatsiam-bola ho an’ny toetrandro. Anatin’izany ireo Minisitera isan-tsokajiny, ny mpitondra ifotony, ny ONG, ny mpikaroka ka hananan’izy ireo fahaiza-manao amin’ny fanaraha-maso ny fanantaterahana ny PNA.
Tetikasa iray iarahana amin’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Fandrosoana na ny PNUD izay haharitra heritaona sy tapany no natomboka, ny 06 oktobra teo, teny Ambatobe izay mitentina 1,348,962 Dollars. Ny tanjona amin’izany dia ny fametrahana ny dingana rehetra ho fampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetrandro. Ireo dingana ireo dia azo atao hatrany ny manatsara azy. Kendrena mba ho tafiditra amin’ireo dinika andraisana fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena ny lafiny fiovan’ny toetrandro.




