PolitikaSongadim-baovao

TONTOLO POLITIKA ETO MADAGASIKARA: Mila fanoherana tomponandraikitra sy mijery ny tombontsoam-pirenena

Sesilany ireo fanehoan-kevitra politika isan-karazany taorian’ny fanambarana nataon’ny Mpanohitra ny faran’ny herinandro teo, indrindra fa ny nataon’ingahy Siteny Randrianasoloniaiko, izay nangataka ny hanomezana azy ireo ny kianjan’ny 13 mey sy ny hanaovana « iray sy iray ». Naverin-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy, mpamakafaka politika, indray omaly fa fanoherana tomponandraikitra no ilain’ny firenena. Ekena, hoy, ary ilaina ny fanoherana, satria tokony ho arofanina ho an’ny mpitondra, saingy hevitra no ifanoherana. Raha tsy mety ny fomba fitondran’ny mpitondra dia milaza ny heviny heveriny fa tokony itondrana ny mpanohitra. Dia mandinika ny vahoaka (opinion publique) ary eo no isafidianany hoe hirona amin’iza izy, ny mpitondra sa ny mpanohitra.
« Hevitra izany no mifandona (débat d’idées) fa tsy sanatria olona ka hoe « ndao hifanao iray sy iray ». mba mpanohitra bontolo ahoana loatra ary izany? », hoy ny fanehoan-keviny. « Tsy gaga aho raha tena marefo ny mpanohitra satria izany kosa ary ve no mpitarika azy amin’ny Antenimieram-pirenena? Sady efa hita fa tsy maharesy lahatra olona noho ny fomba mamohehatra tahaka izany dia mbola manampy trotraka koa hoe « sokafy ny 13 mai aza asiana mpitandro filaminana », izany hoe ilay fangatahana izany dia hoe « avelao izahay hanakorontana am-pilaminana tsy asiana mpitandro filaminana hanakana anay? »” , hoy hatrany izy nanamafy.
Mila miova paikady
Novakian-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy bantsilana fa na inona na inona lazaina dia hanakorontana no tian’ny mpanohitra atao, raha miainga amin’ireo kabary samihafa ataon’izy ireo. « Vao maika ho sarotra ny handehananareo eo amin’ny 13 mai raha efa nambaranareo mazava fa hanao iray sy iray kay no tena tadiavinareo hatao fa tsisy hevitra mivaingana mihitsy hasehonareo eo », hoy izy. Nambarany fa efa tokony miova paikady amin’izay ny mpanohitra satria efa nandamoaka hatrany ny tetika nomanina nanomboka tamin’ireny C11 ireny. « Sao mba manandrana mitondra hevitra tena hevitra (des vrais débats d’idées) ankoatra ny hanao iray sy iray sy hanakorontana ? », hoy izy.
« Mila fahamarinan-toerana sy filaminana ny firenena fa efa sahirana ny vahoaka, Atoa Marc Ravalomanana ihany no niteny tamin’ny faran’ny taona teo fa mbola hiakatra daholo ny vidin’entana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ary tsy ho voafehinareo hoy izy (miaiky tsara izy fa misy « facteurs exogènes » tsy ananantsika Malagasy fahefana ny fifehezana azy), dia mbola hanampy trotraka ve ny mpanohitra hiantso ny vahoaka hifanao iray sy iray sy hikorontana? Tsy mendrika an’izany kosa ny vahoaka malagasy », hoy Lalatiana Rakotondrazafy namarana ny fanehoan-keviny.
Jeneraly Ravalomanana Richard
Tetsy ankilany, nitondra ny fanehoan-keviny koa ny Jeneraly Ravalomanana Richard, Filohan’ny Antenimierandoholona omaly. Nambarany fa tokony ho fampandrosoana no imasoana fa tsy ifampitsapa hery. “Miantso ny vahoaka aho mba tsy hanaiky ataon’ny mpanao politika fitaovana fotsiny”, hoy izy. Notsindriany fa tokony ho ny tombontsoam-pirenena no jeren’ny rehetra. “Izaho mbola resy lahatra fa ny tomponandraikitra eto amin’ny firenena dia vonona hampandroso ilay firenena. Ny filoha rehetra nifandimby teo dia efa samy niezaka araka izay vitany hampandrosoana ny firenena, fa tsy tokony hatao halako bika tsy tiako tarehy ka na inona na inona ataon’ny mpitondra dia toherina avokoa. Tsy handroso mihitsy i Madagasikara raha toy izany foana no fisainana hoentin’ny mpanao politika eto amintsika”. Tombontsoam-pirenena no tokony jerena manomboka izao.
Niantso ny rehetra hibanjina ny fampandrosoana ny firenena ny Filohan’ny Antenimierandoholona. Efa vita, hoy izy, ny fifandresen-dahatra talohan’ny fifidianana ka tsy tokony hisy intsony ny fifampiantsiana amin’ny endriny maro samihafa.
Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer