PolitikaSongadim-baovao

TONTOLON’NY FITSARANA : 𝐇𝐢𝐯𝐞𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐥𝐚𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐢𝐧𝐲 𝐢𝐳𝐚𝐨 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐝𝐲 𝐦𝐚𝐝𝐢𝐨

Noho ny krizy ara-pahasalamana izay lalovan’ny firenena ankehitriny, isany fepetra noraisina ny fampiatoana ireo fotoam-pitsarana samihafa, mba hisorohana ny famoriana olona sy hahafahana manaja ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra. Afak’omaly, nanao fanambarana ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana fa hiverina amin’ny laoniny manomboka ny alatsinainy 31 aogositra 2020 ho avy izao ny fotoam-pitsarana etsy Anosy, ho an’ny ady madio eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany (TPI) sy ny fitsarana ambony (CA) ireo. Telo andro mialoha dia ho hita eo amin’ny peta-drindrina (afisy) eo ivelan’ny Lapam-pitsarana ireo fotoam-pitsarana sy ireo raharaha.  Eo anatrehan’izany, tsy maintsy hajaina ireo fepetra ho fisorohana ny Covid-19. Tafiditra ao anatin’izany ny fakana mari-pana, fanasana tanana eo an-tokontanin’ny Lapa, fitondrana “badge”, fanaovana arotava ary fanajana ny elanelana iray metatra. “Ho hentintra ny sivana sy fanaraha-maso iarahana amin’ny mpitandro filaminana eo am-pidirana, ary ny avy amin’ny fandraharaha ny fonja ao anatiny”, hoy ny fampitam-baovao.

Tsy mihoatra ny olona 50

Nanamafy ireo tompon’andraikitra fa ireo tompon-draharaha ihany no manatrika ny fotoam-pitsarana, ary ferana ho 50 ny isan’ny olona ao anaty efitrano fitsarana. Etsy ankilany, ho an’ny Fitsarana ambony izay misahana ny TPI avy any Antsirabe, Ambatolampy, Miarinarivo, Tsiroanomandidy, Ankazobe, Arivonimamo ary ny eto Antananarivo dia miankina amin’ny fisokafan’ny lalana ireo fotoam-pitsarana. Handeha hatrany nefa ireo antotan-taratasy ho tsaraina na tsy afaka ny ho tonga ary ireo manan-draharaha ho fiarovana ny zon’ny mpiady. Anjaran’ireo mpitsara no mijery ireo toerana fiavian’ny raharaha. Nivoitra ireo nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny tranom-bokin’ny TPI Anosy, nataon’ny lehiben’ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, Me Herinatrehana Inham Ella, sy ny lehiben’ny mpiraki-draharaha ao amin’ny Fitsarana ambony, Me Raoliasindrahona Aimée.

Tags
Fermer