PolitikaSongadim-baovao

TONTOLON’NY SERASERA SY KOLONTSAINA : Ny 90%-n’ireo vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika no efa tanteraka

Isan’ireo Minisitra mbola nahazo indray ny fitokisan’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Betsaka ny tsikera mandeha mahakasika ity mbola nahatafaverina azy ho ao anatin’ny Governemanta ity. Misy ihany koa ireo milaza fa atahorana hamoaka dosie ny Minisitry ny Serasera dia tsy azo esorina ao anaty Governemanta. Tsy izany velively anefa ny mason-tsivana nanaovan’ny Filoha sy ny Praiminisitra ny tombana ho an’ny minisitra tsirairay avy. Araka ny efa nambara ombieny ombieny, dia nisy ny “Contrat-programme” nifanarahana tamin’ny Minisitra tsirairay avy. Miankina amin’ny fahatanterahan’izany na tsia, no anisany hihazonana na hanesorana ny Minisitra iray. Raha ho an’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina manokana, ny 90%-n’ireo vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika no efa tanteraka, araka ny voalazan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. “Misy ny mbola tsy tanteraka saingy tsy voatery ho miankina amin’ny ekipa mpitantana ny Minisitera izany, fa rehefa natao ny tombana dia nahita ny lehibe fa nahafeno ny fepetra matoa mbola notendrena indray”, hoy ny fanazavany.

Nambarany, araka izany, fa tsy ny lainga hafafy sy ny fanaratsiana na ny fanenjehana izay tsy mitombina no midika zava-dehibe. Voaporofo, hoy izy, fa na teo aza ny fanenjehana maro be, ny Filohan’ny Repblika dia afaka mandanjalanja ny zavatra mitombina sy niniana aparitaka momba azy. “Tsy mikaonty amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny Filohan’ny Repoblika ireny fanenjehana ireny. Ary tsy mitondra mankaiza ny fitaizana ny olona anatina tsaho sy lainga ary famotehana”, hoy hatrany izy.

Nampahafantariny fa ankoatra ny fijerena ny asa vita, dia isan’ny hanaovana tombana ny Minisitra iray ihany koa ny fahadiovan’ny fitantanan-draharaham-panjakana nametrahana azy, sy ny lanja entiny eo amin’ny lafiny ara-politika.

Fermer