PolitikaSongadim-baovao
TORITENY FJKM TENY ANTSONJOMBE: Nahatohina ny mpino maro
Raha toa ka fotoam-pivavahana natao hitrotroana am-bavaka ny Filohan'ny FJKM sy ny firenena no anton'ny fihaonana tetsy amin’ny Coliséum Antsonjombe omaly, dia navadik’ilay mpitandrina nitory teny ho sehatra politika nanehoany ny heviny ara-politika. Saika tohina tamin’ny fanambarany avokoa ny ankamaroan’ireo mpino marobe nanatrika ny fihaonana. Ary tomponandraikitra ambony maro eto amin’ny firenena ihany koa no efa naneho ny tsy fankasitrahany ity fampidirana resaka politika amin’ny fivavahana ity.
“Raha nasaina ny tenako amin’ny maha Governora ahy hanatrika ny fotoam-pivavahana lehibe teny amin’ny Coliseum nokarakarain’ny Fiangonana FJKM dia nanaiky ny fanasana an-tsitrapo sady ihany koa moa ny tenako zanaka FJKM. Aoka kosa anefa ny fivavahana tsy natao hampizarazara sy natao ho fitaovana ara-politika”, hoy ny fanehoan-kevitra nataon’ny Governoran’Analamanga, Hery Rasoamaromaka, taorian’ny toriteny nataon’ny Mpitandrina Zaka Andriamampianina, izay Filoha lefitry eo anivon’ny Birao foibe FJKM. Fampitambarana sy fampiraisana, hoy izy, no andraikitry ny fiangonana kanefa ny mifanohitra amin’izany no niseho omaly.
Raha hiverenana tokoa ny voalaza fa toriteny izay nataon’io mpitandrina io dia tsikaritra ho nivadika kabary politika tanteraka izany. Lasa fitsikerana rano iray ny Fitondrana ankehitriny sy ny asa ataony no votoatin’ny hafatra. Tonga hatramin’ny fanambaniana ireo Tafika malagasy. Setrin’izay, betsaka ireo mpanatrika no nivoaka teny afovoan’ny toriteny. Tsy aim-panahy no nozaraina fa fanehoan-kevitra politika. Hany ka nampizarazara ny mpino FJKM. Tsiahivina fa fotoam-pivavahana natao hitrotroana am-bavaka ny Filohan’ny FJKM sy ny firenena no anton’ny fihaonana sy nolazaina kanefa dia navadik’ilay pastora mitory teny ho sehatra politika hanehoana ny heviny politika.
Fampifangaroana politika sy fivavahana
“Tsarovy fa taona vitsy izay dia tsy mety mahafeno Coliseum intsony isika satria maro no nisitaka any amin’ireo lazaintsika fa « fiangonana zandriny » na nanangana fiangonana hafa mihintsy satria diso nanao politika sy nampidirana resaka politika loatra ity fiangonantsika malalatsika ity. Tsy any Antoko politique iray ny Fjkm fa any Malagasy rehetra”, hoy hatrany ny fanehoan-kevitry ny Governoran’Analamanga raha nanazava.
Raha tsiahivina tokoa ny tantara, dia efa tamin-dRavalomanana mbola nitondra no maro ny mpino lasa nisintaka nivadika Fpvm noho ny fahitana ny fidiran’ny mpitandrina maromaro tamin’ny tontolo politika be loatra, ka nampifangaro tanteraka ny fivavahana sy ny politika. Tamin’ny 2010, raha tsiahivina, dia nisy pasitera voatifitra mihitsy teny amin’ny FIGN satria nitarika ny miaramila sasany nanongam-panjakana nanafika camp militaire tao anatin’ny hetsiky ny mpitondra fivavahana. Ankehitriny, mbola izany kisarisary maneho fironana politika izany no mitady averin’ny mpitandrina sasany eo anivon’ny FJKM ankehitriny.
Randriah.




