PolitikaSongadim-baovao

TOROMARIKA HO AN’NY MINISITRA TSIRAIRAY: Takiana ny tetiandro ho an’ny asa atao ao anatin’ny 3 sy 6 volana

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny Filankevitry ny Minisitra voalohany natrehin’izy ireo omaly ireo Minisitra vaovao miisa valo, voatendry hanatevin-daharana indray ny Governemanta Ntsay. Tao anatin’izany no nanambaran’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa, ny fomba fiasa vaovao hifampitondrana amin’ireo Minisitra tsirairay mba hahazoana vokatra tsaratsara kokoa hatrany.

Niatrika ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany ireo valo mianadahy mpikambana vaovaon’ny Governemanta vao avy notendrena, ny alatsinainy 20 febroary 2023, niaraka tamin’ireo mpikambana hafa voatazona amin’ny toerany. Nandritra izany, nitondra fanazavana ny Filohan’ny Repoblika fa matoa nasiana ny fanovana dia mba hitondrana fanatsarana bebe kokoa sy hanafainganana ihany koa ny asa, ny tetikasa sy ny fandaharanasa izay ho tanterahina eo anivon’ny sampandraharahan’ny minisitera tsirairay avy, ho fanasoavana ny vahoaka malagasy. Lehibe dia lehibe ny ezaka sy ny fanamby andrasana amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta satria takiana amin’izy ireo ny fanomezana vokatra azo tsapain-tanana ao anaty ny fohy ezaka mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy.

Fandaharana manokana isan-kerinandro

Mifanindran-dalana amin’ny fanovàna ireo mpikambana sasantsasany ao amin’ny Governemanta, dia tsy maintsy hirosoana ihany koa ny fanovana ny fomba fiasa manomboka izao, araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika. Tafiditra ao anatin’izany fomba fiasa vaovao izany ny tsy maintsy hametrahan’ny minisitra  tsirairay avy tetiandro mifandraika amin’ny fanatanterahana ireo asa, tetikasa sy fandaharanasa tanterahin’ny minisiterany avy, ka mila havoitra anatin’izany ny zavatra ho tsapa sy ho hita ao anaty ny 03 volana sy 06 volana. Isaky ny minisitera, noho izany dia tsy maintsy misy ny fampahafantarana ao anaty ny fitantanana mangarahara eo anatrehan’ny vahoaka malagasy ny asa rehetra izay hatao, miaraka amin’ny fe-potoana hanatanterahana azy.

Nohantitranterin’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa ny tsy maintsy hiasana ao anaty mangarahara. Noho izany dia hisy ny fandaharana manokana amin’ny haino aman-jerimpanjakana isan-kerinandro izay handraisan’ny minisitra tsirairay avy anjara, hampahafantaran’izy ireo ny asa izay hatao sy ny paikady sy vina hapetraka hanatrarana ny tanjona. Nandritra io fotoana io ihany koa no nampatsiahivan’ny Filoham-pirenena tamin’ireo mpikambana rehetra mandrafitra ny Governemanta, ireo toromarika samihafa mifandraika : amin’ny fitondran-tena mendrika tokony hananan’izy ireo eny amin’ny fiaraha-monina sy manoloana ny vahoaka, amin’ny maha tompon’andraikitra ambony azy ireo eto amin’ny Firenena. Nomarihiny tamin’izany ny fahaizana mandanjalanja ny fomba fiteny sy ny fihetsika, fa indrindra ny fitantanana mahitsy na « intégrité ».

Tsara ho fantatra fa rehefa vita ny lahateny nataon’ny Filoham-pirenena dia nomena fotoana ireo minisitra vaovao namelabelarana ireo laharam-pahamehana sy fanamby ho tanterahin’izy ireo ato anaty ny enimbolana. Marihina ihany koa fa tsy afaka nanatrika ity Filankevitry ny Minisitra natao omaly ity ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, noho ny iraka izay tsy maintsy tanterahiny any ivelany.

Ny Fanoratana.

 

Fermer