
Songadim-baovaoToekarena
TOSIKA FANDRAHARAHANA: Tanora 10 mianadahy hisitraka famatsiam-bola 151 736 000 Ariary
Nivaly ny fangatahana ho anireo tanora mpitondra tetikasam-pampandrosoana nifaninana taminny Fandaharanasa fampiroboroboana ny Fandraharahanny Tanora na “Programme de Promotion de lEntrepreneuriat des Jeunes” (PPEJ).
Tanora folo mianadahy ahitana zatovovavy efatra, lehilahy enina, araka izany, no hisitraka ny famatsiam-bola avy aminny «CONFEJES 2025 » na ny “Conférence des Ministres de la Jeunesse et des Sports de la Francophonie”. Famatsiam-bola mitentina 29.180 Euros na 151.736.000 Ariary. Avy aminny Faritra samihafa manerana ny Nosy izy ireo dia Analamanga, Analanjirofo, Atsinanana, Atsimo Andrefana, Boeny, Ihorombe, Fitovinany, ary Vakinankaratra. Hifotoran’izany tetikasan’izy ireo zany ny fanodinana ara-pambolena, ny haitao ara-kajy mirindra, ary fambolena sy fiompiana lovainjafy.
Nitondra ny teny firariantsoa ho azy ireo moa Atoa Marson Moustapha, mba ahaleo ahalasana sy hahavita antsakany sy andavany ny tetikasany. Amin’io herinandro io no hasaina hanatona ny tale miandraikitra ny fampiroboroboana ny fandraharahanny tanora, eo anivonny Minisitera izy folo mianadahy ireo.
S.S




