Politika

« TOUS ENSEMBLE POUR MADAGASCAR » : Vonona hitondra ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny Firenena

Nanatontosa fivoriambe ny fikambanana « Tous ensemble pour Madagascar » ny farany herinandro lasa teo. Nodinihina ny fampanjakana ny mangarahara eo amin’ny lafiny fifidianana sy ny fandraisana fanapahan-kevitra. Vonona tanteraka ny Fikambanana hitondra ny anjara biriky amin’ny fananganana sy fampandrosoana ny Firenena, izay voarakitra ao anatin’ny IEM…

Tanjona ny handrosoan’ny Firenena hoy ireo mpikambana ao amin’ny TEM.

Manohana ny vinan’ny Filoham-pirenena izay voarakitra ao anaty IEM ary vonona hifanome tanana amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahina izany, ny Fikambanana « Tous Ensemble pour Madagascar » na ny TEM. Vonona ihany koa ny fikambanana hitondra ny anjara birikiny amin’ny fananganana Firenena « émergent » sy ny fampandrosoana amin’ny lafiny rehetra. Ny filohan’ny TEM, Andrianome Rakotomanantsoa, dia nampatsiahy, tamin’ny lahateny fanokafana ity fivoriambe tsy ara-potoana ity, fa iray tsy mivaky ny fikambanana na dia nisy aza ny mpikambana sasantsasany niezaka nanitsakitsaka ny sata mifehy. Efa napetraka eo am-pelatananan’ny manampahefana frantsay ny raharaha mikasika izany, raha ny fanampim-panazavany. Marobe ny fampandrosoana tanterahin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny, indrindra ny ady amin’ny fahantrana, ary vonona tanteraka ny fikambanana hitondra ny fahaiza-manao, hirosoan’i Madagasikara ho an’ny amin’ny tena fampandrosoana marina, izay efa nimatimatesan’ny Filohan’ny Repoblika, amin’ny alalan’ny velirano miisa 13.

Fampanjakana ny mangarahara…

Ampahany amin’ireo mpikamban’ny TEM manerana izao tontolo izao.

Raha tsiahivina, notanterahina ny 19 septambra lasa teo, ny fivoriambe tsy ara-potoan’ny fikambanana « Tous Ensemble pour Madagascar », izay fikambanana naorin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina tamin’ny taona 2017. Ahitana mpikambana maro manerana izao tontolo izao, ity fikambanana ity, ary vonona tanteraka ny hitondra ny anjara biriky ho fampandrosoana ny Firenena. Maro ny raharaha eo anivon’ny fikambanana tsy maintsy nodinihina maika. Tafiditra ao anatin’izany ny fampanjakana ny mangarahara eo amin’ny lafiny fifidianana sy fandraisana ny fanapahan-kevitra, ny fanorenana ifotony ny sata mifehy ny fikambanana ary ny fanavaozana fitsipika anatiny.

Mba ho fanomezana vahana ny mpikambana rehetra izay miparitaka manerana izao tontolo izao, dia natao tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana maoderina manaraka ny teknolojia ny fifidianana rehetra na ny mikasika ny ho mpikambana ao anaty birao mpitantana ny fikambanana na ny mikasika ny fehin-kevitra rehetra notapahina nandritra ny fivoriana. Ny fehin-kevitra notinapaka tao anatin’ny fivoriana rehetra dia voafidy tamin’ny latsa-bato mihoatra ny 90% avokoa. Ezaka lehibe ho an’ireo Malagasy mpila ravinahitra any ivelany, ny fahafaha-mandatsa-bato tahaka izao, ahafaha-maneho hevitra, indrindra amin’ny fampandrosoana ny Firenena.

Fermer