Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

TRA-DOZA TAMPOKA: Ankizikely dimy namoy ny ainy tao anaty lavadrano

Misesisesy ny loza tsy nahy vokatry ny tsy fitandremana niseho tato ho ato. Ankizivavikely roa samy 4 taona indray namoy ny ainy tao anaty lavadrano tao Ampamohokely kaominina ambonivohitra sy distrikan’Andilamema, ny alatsinainy lasa teo. Ankoatra izay, zazakely misy telo koa no maty tao anaty lavadrano, tao Sarobaratra, distrikan’i Maevatanana…

 

Misesisesy ny loza tsy nahy vokatry ny tsy fitandremana niseho tato ho ato ! Araka ny angom-baovao, ankizivavikely roa samy 4 taona indray namoy ny ainy tao anaty lavadrano, tao Ampamohokely, distrikan’Andilamema, ny alatsinainy lasa teo. Araka ny angom-baovao, maty tao anaty lavadrano teo andrefan-tanànan’Andilanatoby, fokontany Ampamohokely izy roa vavikely ireo. Vantany vao heno ny loza, zandary roa lahy niaraka tamin’ny lehiben’ny CSB-ll Andilamena no nalefa teny an-toerana hanao fizahana ny razana ary natrehin’ny sefo fokontany Ampamohokely koa. Tsy nahitana ratra ny vatana mangatsiakan’ireo zaza, fa ny kibo no nibotsin-drano, araka ny filazan’ny dokotera. Ahina ho fahafatesana vokatry ny hasemporana tao anaty rano no nahafaty ireto ankizivavikely anankiroa ireto. Natolotra ny fianakavian’ny maty ny razana, rehefa vita ny fizahana rehetra natao. Na izany aza, misokatra ny fanadihadiana momba ny tena antony nahafaty azy mirahavavikely ireto, izay sahanin’ny tobim-paritry ny Zandarimaria Andilamena.

Ankizikely telo indray namoy ny ainy…

Ny androtr’io fotoana io ihany, mbola nisy ankizikely telo koa, indray namoy ny ainy tao Manonga, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Satrobaratra, distrikan’i Tsaratanana. Araka ny filazan’ireo vavolombelona, nilalao teo akaikin’ny lavadrano, tsy lavitra ny toeram-ponenany izy ireo, no izao tra-doza tampoka izao, izay niteraka ny fahafatesan’izy ireo. Zanak’olona samy hafa izy telo mianadahy samy namoy ny ainy ireo, ka efa-taona ny lahikely sy ny vavikely, raha roa taona kosa, ilay zazalahikely maty.  Nentin’ireo mponina tao an-toerana, mba hozahana tao amin’ilay Mpampivelona izy telo ireo. Ity farany, izay nilaza fa efa samy maty avokoa izy telo mianadahy kely ireo. Nisy, araka izany, ny fidinana ifotony nataon’ireo mpitandro filaminana eny an-toerana. Taorian’ny fizahan’ny mpitsabo, efa natolotra ny fianakaviana  ireo razana.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer