Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
TRAFIKANA GAZOALA SY SOLIKA : Mpamily kamiao mpitatitra solika nahatrarana 200 litatra
Kamiao mpitatitra solika roa nanao trafikana gazoala afakomaly, teo ambanin’i Sandranentana, PK 323+800, fokontany Ambatorao, kaominina ambanivohitra Fanandrahana, distrikan’i Toamasina II. Nisy nampandre avy hatrany ny zandary mpandrindra sy mpanara-maso ny lalam-pirenena faharoa, teo Antananambo. Noho izany, zandary roa no nidina nijery ifotony nizaha ny zava-nisy teny an-toerana. Mpamily kamiao mpitatitra solika iray no tratra teo an-toerana niaraka tamin’ny solika 10 bidao amin’ny 20 litatra, mitotaly 200L, izay mitsinjara toy izao : iray bidao amin’ny 20 L gazoala, sivy bidao amin’ny 20L ny lasantsy. Nisy avy hatrany ny fepetra noraisina ka nampandrenesina ny tomponandraikitry ny OMH tao Toamasina. Nosamborina ilay mpamily ka notazomina vonjimaika ao amin’ny biraon’ny BPR Toamasina miaraka amin’ny fiara. Nandrasana, araka izany, ny OMH sy ny LP, omaly nanao ny fitsirihana ireo solika tratra. Fiara marika Sinotruck, an’ny orinasam-pitaterana iray mipetraka eny Ambohimaro Ambohibao Antehiroka, distrikan’ Ambohidratrimo. Ny tobim-paritra miandraikitra ny fifamoivoizana Toamasina no misahana ny raharaha. Tiana ny manamarika fa raha nangina ny trafikana solika sy gazoala tato ho ato, dia manomboka mitady hiverina tsikelikely indray izany. Ny tena zava-doza, teo aloha teo, nisy hatrany ny halatra gazoala izay miafara hatramin’ny fanaovana hosoka, azy ireny. Vokany, sady hanimba ireo fitaovam-pitaterana no mety hitera-doza ho an’ny fiainan’ny fiarahamonina.
Pierre M.



