Fanadihadiana Manokana
TRAFIKANA GIDRO SY SOKATRA ANARIVONY TANY THAÏLANDE: Tafakatra 18 ireo voasaringotra, niakatra teny amin’ny PAC ny valo
Miisa 18 ankehitriny ireo olona voakasiky ny raharaha fanondranana gidro sy sokatra anarivony avy eto Madagasikara tratra tany ThaÏlande. Natolotra ny PAC omaly ny 8 voasambotra hatramin’ny alahady lasa teo, raha toa ka voasambotra omaly tany Mahajanga ny olona iray hafa mpiampy olona 3 mbola karohina. Fampidirana am-ponja 5 taona farafaharahakeliny miampy fandoavana lamandy no manambana azy ireo…
Mivoatra ankehitriny ny raharaha mahakasika ny fanondranana an-tsokosoko gidro miisa 48 sy sokatra miisa 1 076 avy eto Madagasikara, tra-tehaka tany Thaïlande tamin’ny fiandohan’ity volana mey ity. Raha tsiahivina dia nataon’ny tompon’andraiki-panjakana malagasy vaindohan-draharaha ny fikarohana ny marina sy ny tompon’antoka mahakasika izao heloka bevava goavana izao. Vokany, miisa 18 hatreto ireo olona voakasika mivantana amin’ity raharaha ity. Ny 6 amin’izy ireo no efa notanana am-ponja vonjimaika any Thaïlande, ary ny 12 ambiny kosa dia eto Madagasikara. Amin’izy 12 ireo indray, niakatra teny amin’ny PAC (Tendrom-pitsarana misahana ny kolikoly) omaly ny olona 08 tamin’izy ireo ka teratany Birmanianina ny iray. Misy olona iray hafa ihany koa mbola voasambotra tany Mahajanga omaly maraina, ary mbola andalam-pikarohana ny olona 03 ambiny. Fantatra fa io teratany Birmanianina io no atidoha niketrika ny fanondranana teto Madagasikara, niaraka tamin’ny fiarahana mitsikombakomban’ireo teratany Malagasy, raha toa ka Thaïlandais roa kosa no atidoha nitarika tany Thaïlande.
Efa amam-bolana maro, hatramin’ny faramparan’ny taona 2023, no nanaovana ny fanarahana sy fifanakalozam-baovao momba ny fisiana tambazotra lehibe mpanondrana harena voajanahary an-tsokosoko toy izao, hoy ny fanazavana nentin’ny tale jeneralin’ny fadintseranana Malagasy, Lainkana Zafivanona Ernest. Nambarany ihany koa fa tsy misy mpiasam-panjakana voakasik’izao raharaha izao hatreto satria tsy tamin’ny seranam-piaramanidina na seranan-tsambo mahazatra no nivoaka ireo gidro sy sokatra ireo. Na izany aza dia mbola miandry hatrany izay havoakan’ny fanadihadiana mandeha any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny isika amin’izao fotoana.
Nivoaka tany Morombe…
Taorian’ny dingana maromaro tamin’ny fanadihadiana dia efa fantatra ihany koa ankehitriny ny fombafomba nahatafavoaka ireo harena voajanahary ireo teto amintsika. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra omaly, araka izany, dia tany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny, tany akaikin’ny “Baie de Salary”-Faritra Atsimo Andrefana, no nanaovan’ireo mpitrandraka ny asa ratsiny. Avy any Morombe ireo biby arovana ireo. Noho izany dia niantsona tamin’ny toerana lavitra ny sisin-dranomasina ny sambo haingam-pandeha iray nidina avy any akaikin’i Mahajanga ka nisy lakana hafa nitaona ireo biby avy ety an-tanety nakeny an-dranomasina. “Mbola ao anatin’ny fitadiavana ireo sambo sy lakana ireo ny fadintseranana amin’izao fotoana”, hoy hatrany ny fanazavana.
Ankilany, fanamarihana nentin’ireo tompon’andraikitra ny hoe tsy azo eritreretina ny fanimbazimbana ny harena voajanaharintsika nataon’ireo mpitrandraka antsokosoko. Raha toa ka tokony hitentina 14 lavitrisa ariary eo no tombam-bidin’ireo biby arovana ireo dia tsy nisy afa-tsy 400 hatramin’ny 500 tapitrisa ariary monja no nandafosan’ireo mpitrandraka azy. Tsy azo ekena ny tranga toy izany ka eo indrindra no mahatonga ny tompon’andraikitra hanao antso avo amin’ireo mpisehatra rehetra mba hanamafy ny fanaraha-maso ny sisin-tany. Ho an’ity tranga tany amin’ny “Baie de Salary” ity manokana, ohatra, nandrisika ny tranga fitrandrahana an-tsokosoko ny faharatsian-dalana mihazo ny toerana, izay miteraka ny fahasarotana amin’ny fiarovana ny sisin-tany.
Migadra 5 taona farafahakeliny miampy lamandy
Mizara sokajy telo mazava tsara ny endrika fandikan-dalàna mamatotra ity heloka bevava fanondranana an-tsokosoko harena voajanahary ity. Voalohany amin’izany ny fadikan-dalàna mifandraika amin’ny fadintseranana satria navoaka teto Madagasikara ireo fananan’ny firenena ireo kanefa tsy nandalo fanaraha-mason’ny fadintserana akory. Manampy io ny fadinkan-dalàna any amin’ny sehatry ny tontolo iainana satria voararan’ny lalàna ny famarotana sy fitrandrahana ny sokatra sy gidro amin’izy ireo biby tsy fahita raha tsy eto Madagasikara irery ihany. Mbola fanazavan’ireo tompon’andraikitra ihany koa ny hoe misy ny famotsiam-bola tao anatin’izao raharaha izao satria nisy olona namatsy vola betsaka nentina nividianana ireo biby ireo teto amintsika. Hatreto aloha tsy mbola fantatra ny fiandohan’io famotsiam-bola io.
Noho ireo antony rehetra ireo no nahatonga izao raharaha izao ho natolotra ny PAC. Teo am-panaovana fanadihinana ny antontantaratasy rehetra mahakasika ity heloka bevava ity, araka izany, ny tendrom-pitsarana misahana ny kolikoly omaly. Amin’ny maha ady sarotra ity raharaha ity dia tsy maintsy ny zokiolona mpitsara mpanao famotorana no mitsara izany. Raha ny fanazavana hatrany manoloana ny maha manan-danja izao raharaha izao dia azo antoka fa tsy maintsy hiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona nentina teny amin’ny PAC omaly. Tombanana ho sazy 5 taona an-tranomaizina farafahakeliny no miandry ireo olona mpanao heloka bevava toa azy ireo. Ambonin’ireo ny lamandy tombanana an-tapitrisany maro ihany koa noho ny heloka ara-tontolo iainana natao. Tsara ny manamarika fa tsy misy fanavahana ny sazy ho an’ireo teratany vahiny sy teratany malagasy natao fanadihadiana teny amin’ny PAC omaly. Tsy maintsy misy kosa anefa ny fampilazana alefa any amin’ny masoivoho miahy azy.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




